airtel

Actualités

05-nov-2025

Caisse d'épargne de Madagascar

Mampiahiahy ny namoahana vola 160 tapitrisa Ariary

Sample post image

Mitsoka eto amin'ny firenena ny rivotry

05-nov-2025

ny fanovana. Sarotiny amin'ny dingana vita ho amin'izany ny Vahoaka, ary mitaky ny mangarahara ara-pitantanana. Mifanandrify amin'izany ny hirosoan'ny Cour des Comptes hanao fitsirihana miainga eo anivon'ny Ministeran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola raha nanara-dalana ny fitantanana sy ny famoaham-bola, ary hiitatra amin'ireo rantsamangaikany izany araka ny fifanarahana teo amin'ny andaniny sy ny ankilany. Tsy niandry izany anefa fa efa nanao andrimaso ny fitantanana ao amin'ny Caisse d'épargne de Madagascar (CEM) ny mpiasa ao. Iray amin'ireo orinasam-panjakana matanjaka ny CEM ary ny Ministeran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola no mpiahy azy. Tao anatin'izany andrimaso izany no tsikaritry ny mpiasa fa nisy famoaham-bola mihoatra ny 160 tapitrisa Ariary tao amin'ny CEM ny volana oktobra 2025 teo. In-droa miantoana no namoahana ny vola ka 90 tapitrisa Ariary mahery no navoaka ny fiandohan'ny volana oktobra ary folo andro taty aoriana no namoahana ny 70 tapitrisa Ariary. Tao anatin'ny fotoana nampamaivay ny tolom-bahoaka indrindra no nihazakazahan'ny famoaham-bola, ka izay no mampiahiahy ny mpiasa ary anairan'izy ireo ireo sampana mpanara-maso ara-panjakana, indrindra ny ministera mpiahy mba hanao fitsirihana sy hanokatra fanadihadiana momba izany. Loharanom-baovao hafa no ahalalana fa mifandraika amina asa fanatsarana biraon'ny masoivohon'ny CEM any Nosy Be sy fanorenana trano vaovao eny Ambatobe eto Antananarivo ireo famoaham-bola ireo. Tsy manala ny ahiahy izany hoy ireo mpiasa satria misy ny fepetra takiana amin'ny famoaham-bola, satria orinasam-panjakana rahateo ny resaka. Misy "contrat" mazava ve ny asa ? Mifanaraka amin'ny dingan'ny asa tontosa ve ny vola navoaka ? Misy "Bon de commande" na "Ordre de service" izay takian'ny lalàna ve ny fandoavana ny volan'ny mpanao ny asa ? Santionan'ny fanontaniana apetraky ny mpiasa ireo ary ilam-baliny mazava hisindan'ny ahiahy. Mandra-piandry izany anefa dia manome toky ireo mpiasa fa hiaro ny orinasa Caisse d'épargne de Madagascar ary koa hiaro ny volan'ny mpanjifa ao aminy.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

25-août-2026

Aoka hovitaina hatramin'ny farany ny fanavaozana natomboka"

Card image cap
25-août-2026

Manao tohivakana ny fanehoan-kevitry

Card image cap
25-août-2026

Lasibatra ny Ekar sy FLM ao Ambinanindrano

Card image cap
25-août-2026

Manoloana ireo resaka marobe

Card image cap
24-août-2026

Roa maty nihotsahan'ny tany, roa naratra mafy

Card image cap