Mihena isan-taona izany raha araka ny fanadihadiana natao tamina ivon-toerana iray manonta izany eto an-drenivohitra. Raha miisa 50 ohatra no natontan’ny orinasa iray tamin’ny taon-dasa dia nihena ho 30 izany tamin’ity taona ity ka ireo mpiara-miombon’antoka tsy azo ialana ihany sisa no mahazo izany. Noho ny hasarotan’ny fiainana amin’ny ankapobeny no mahatonga izany. Ezahin’ireo orinasa isanisany ny miala amin’ireo karazana fandaniana tsy dia ilaina firy intsony. Mikasika ireo calendrier manokana misy sarim-pianakaviana dia fantatra fa tsy misy manao kaomandy izany intsony ny ankamaroan’ny olona. Tany amin’ny efatra na telo taona lasa izany no fantatra fa tena nandehabe. Ankehitriny kosa tsy misy manao izany intsony ny isan-tokantrano fa miaina amin’ny fijerena calendrier anaty finday sisa, tranga izay manaporofo sy manabaribary ny fahasahiranan’ny Malagasy tsirairay avy.
Pati
Legende : Tsy manao kaomandina calendrier intsony ny ankamaroan’ny olona sy ny orinasa
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny
Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,
Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.
Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.
Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto