Taorian’ny fampandoavana vola ny mpanjifa manao petra-bola anaty finday sy ny fakana sarany 100 Ar isaky ny mampiditra fahana 500 Ar dia lasa mamely mafy any amin’ny fandefasam-bola indray ny sasany amin’izy ireo ankehitriny. Raha tokony ho 2.000 Ar ohatra ny saran’ny mandefa 50.000 Ar dia hampiakarin’ny sasany hatrany amin’ny 3.000 Ar izany amin’izao. Misy mahasahy miteny 4.000 Ar mihitsy aza izy ireny koa raha tsy manontanintany ny mpanjifa dia tena voamafy tokoa. Milaza ireo mpanao cash point nanontaniana fa hatrany am-potony mihitsy no mampiakatra io sarany alaina amin’ny mpanjifa io. Amin’ny ankapobeny anefa dia tsy niakatra izany. Raha niakatra mantsy izany dia tokony miara-mampiakatra avokoa ny cash point rehetra fa tsy folo na 20 isa monja. Antso avo araka izany no hatao amin’ny Ministeran’ny varotra. Tokony hisy ihany koa ny fanaraha-maso hatao amin’ireny mpanao cash point ireny fa tsy avela hanjaka tokana amin’izao toy ny tranga nisy tany amin’iny faritra Antsirabe iny, renivohitr’i Vakinankaratra.
Pati
Legende : Tsy menatra ny maka vola betsaka amin’ny mpanjifa mihitsy ireo mpanao cash point sasany
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa