airtel

Actualités

09-déc-2025

CIAD 2025,

DISTRIKAN'ATSIMONDRANO

Sample post image

Nahazo lampadaire mazavabe ireo Kaominîna 26 isa

09-déc-2025

Nivoaka ny CIAD taona 2025 ho an'ny distrikan'Atsimondrano na ny Crédit d'investissement destiné a l'appui au développement. Jiro lampadaire mazava be no natolotry ny solombavambahoaka Raharimanarivo Voahangy ho an'ireo kaominina miisa 26 ao anatin'ny Distrika nahalany azy. Tonga nanolotra izany tao amin'ny kaominina ambanivohitr' Ambohidrapeto ny lehiben'ny distrika vaovaon'Atsimondrano Ratiarison Rostand Patrick, notronin'ny solombavambahoaka. Nivoitra nandritra izany fa anisan'ny tena olan'ireo mponina ao Atsimondrano ny resaka jiro hanazavana ny tanana. Mbola betsaka mantsy ireo tsy mañana izany, indrindra fa ny eny anivon'ny Fokontany ka mampahazo vahana ny tsy fandriampahalemana. Raha tsiahivina moa ny CIAD dia vola hapetraka eo am-pelatanan'ny solombavambahoaka hanavaozana na hananganana foto-drafitrasa ao anatin'ny distrika nahalany azy. Ny solombavambahoaka no manapaka ny foto-drafitrasa hatao raha tolo-kevitra no azon'ny Ben'ny tanana na ny Fokontany hatao. Mitentina 250 tapitrisa Ar isan-taona izy io.
Pati
Légende : Nandritra ny fanolorana ireo lampadaire omaly teny Atsimondrano !
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap