Amin’ny harivariva no tena hihaonan’izy ireo sy hanaovany izany asa ratsy izany ka izay mpianatra mandalo rehetra indrindra fa ny lehilahy mitovy aminy dia hilany vaniny sy kasihan’izy ireo tanana avokoa. Raha araka ny fitarainan’ny mpianatra maromaro efa lasibatra dia lazain’izy ireo fa maka ny sipany na ny olon-tiany izy ireo ka avy hatrany dia ratrainy sy hampirohorohoany mihitsy. Eo amin’ny faritra misy ny kianja fanaovana basket sy volley ball no tena ahitana azy ireo hoy hatrany ny loharanom-baovao azo. Vokany, miaina anaty tebiteby ireo mpianatra mandalo eny amin’iny faritra iny indrindra raha vantany vao hariva ny andro. Marihina moa fa tsy vao izao no nanao ny nataony tahaka izao ireo andian-jatovo eny amin’ny Cite des assureurs eny Itaosy. Saika isan’andro mantsy dia handrenesana adiady sy gidragidra hatrany eny an-toerana ka mahavita mifamono amin’ny antsy sy ny angady mihitsy ireo samy zatovolahy. Antso avo araka izany no hatao amin’ny mpitandro ny filaminana mba hijery akaiky ity tranga hiainan’ny mponina eny amin’ny Cité des assureurs eny Itaosy ity.
Pati
Legende : Malaza ho maditr’olona Cité des Assureurs Itaosy
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,
Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,
Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,
Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny
Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,
Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny