airtel

Actualités

28-févr-2022

Actualités

Conseil National des femmes de Madagascar Hanampy ireo vehivavy lasibatry ny rivo-doza

Sample post image

Hijery manokana ireo vehivavy lasibatry ny rivo-doza Batsirai tany amin'iny faritra atsimo atsinanan'ny Nosy iny ny fikambanana Conseil National des femmes de Madagascar (Cnfm) tarihin'ny filoha nasionaliny Rtoa Estelle.

28-févr-2022

Nisy ny hetsika tolo-tanana nokarakarainy teny amin'ny jumbo score Ankorondrano ny sabotsy teo ho an'ireo tsara sitrapo ka ankoatra ireo nanome lelavola dia tsy vitsy ihany koa ireo nanome fitafiana sy kojakoja maro samihafa. Navitrika ny mpanome tamin'ny ankapobeny. Hoentina avy hatrany any Mananjary ary hotsinjaraina amin'ireo vehivavy sy Renim-pianakaviana hita fa tena sahirana any amin'ny distrikan'i Mananjary moa ireo fanampiana ireo mandritra ny fankalazana ny datin'ny 08 martsa izay hanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny vehivavy. Tsy misy hiova moa izay fanampiana voarain'ny Cnfm fa rehefa vola dia vola no omena ireo vehivavy any amin'ity distrika iray ity ary rehefa akanjo dia akanjo no hatolotra azy. Hiaraha-miasa amin'ireo tompon'andraikitra any an-toerana kosa ny fifantenana sy fijerena ireo vehivavy tena shirana tokony hisitraka izany.
Pati
Legende : Nandritra ny hetsika tolo-tanana notanterahina tamin'ny sabotsy teo teny Ankorondrano
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap