Rehefa misy mpandraharaha, hoy izy, handraharaha amina toerana iray dia isan’ny jereny ny sandan’ny angovo. Ny eto amintsika nefa tsy resaka sanda fotsiny fa tena fisiany mihitsy satria be loatra ilay fahatapahan’ny herinaratra na delestazy. Na tiantsika na tsia, ny mahatonga io fiakaran’ny tsy an’asa be dia be eto amin’ny firenena io, ao anatin’izany moa ny resaka fahantrana foana hoe isan’ny firenena faran’izay mahantra i Madagasikara. Betsaka ireo mpanety na mpanao abobo na «Yaourt» na mpanao tsena momba ny hena, izany hoe, «charcuterie» na mila vata fampangatsiahana hafa no mila herinaratra. Eo ny resaka fanefena vy na «soudure». Be dia be no ilàna herinaratra amin’ny filàna andavan’andro. Ireny olona ireny izany dia betsaka no mety nanala ny olona tao aminy dia lasa ilay tompony mihitsy no mandraharaha fa tsy afaka mampiasa olona intsony. Isany zava-doza izany any amin’ny resaka toekarena. Raha ohatra ka mitroatra ny olona amin’izao fotoana izao dia tokony hitroatra lavitra mihitsy satria ny mampalahelo rehefa tsy maheno ny zava-miseho rehetra ilay fitondram-panjakana. Na ny filoham-pirenena aza tamin’ny fampielezankevitra 2018 niteny hoe voavahantsika io. Efa tapitra izay fotoam-piasana voalohany. Efa manomboka fotoam-piasana faharoa izy, mbola tsy hita ihany hoe inona no vahaolana? Efa fidinana any amin’ny helo na «descente à l’enfer» mihitsy ve no misy eto amin’ny firenena noho io hoe tsy voafehin’ny fitondram-panjakana io ny resaka herinaratra sy rano, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny
Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,
Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.
Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.
Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto