airtel

Actualités

09-déc-2022

Actualités

Delestazin’ny Jirama Ahilika any amin’ny mpangalatra jiro indray

Sample post image

Namoaka antso fanentanana sy fifanoloran-tànana ny Jirama amin'ny ady amin'ny halatra sy ny hosoka, araka ny serasera nataony omaly.

09-déc-2022

Anisan’ny miteraka ny fikorontanana amin'ny famatsiana herinaratra amin'izao fotoana izao ny halatra Jiro eto Antananarivo, any amin'ny faritra manodidina ary any amin'ny Faritany, hoy ity orinasa ity. Nomarihiny mihitsy fa ny 30%n’ny tokantrano hanaovan'ny orinasa JIRAMA fitsirihana dia ahitana hosoka amin'ny “compteur” na halatra mivantana tsy mandalo “compteur” na tsy manana “compteur” mihitsy. Raha nanao fidinana ifotony tany amin'ny Faritany iray izahay dia tao anatin’ny hotely lehibe 20 isa amin'ny 40 isa nanaovana fitsirihana no nahitana halatra sy hosoka avokoa, hoy hatrany ny Jirama. Namoaka ireo laharana ahafahana manao ny fitorohana noho izany ity orinasa ity, dia ny: Laharana maitso 3547; Laharana E-toroka 0348301191; Pejy Facebook E-toroka, na manatona mivantana ny biraon'ny JIRAMA Manakambahiny misahana ny ady amin'ny Halatra sy ny Hosoka. Sanatria ve taorian’ny fitanisana ireo olana samihafa ambara fa anton’ny delestazy dia ahilika any amin’ny resaka mpangalatra jiro indray ny olana. Marina fa eo ny halatra, saingy azo lazaina ho vitsy izay! Eo ny halatra ambara fa ataon’ny mpanjifa fa mba manao ahoana ihany koa ny fitantanana? Isan’ny orinasa mahazo tsikera betsaka ny Jirama amin’ny resaka fitantanana indrindra fa ny ara-bola, raha tsy hilaza afatsy ireny raharaha fizarana “prime” 1 miliara Ar ireny, fanamboarana zaridaina mahatratra 1 miliara Ar, fandaniana mihoampampana toa tsy ara-drariny amin’ny endriny maro, halatra sy fanodinkodinana solika,… Vao tsy ela ary tsy mbola milamina ny gidragidram-pitanana eo amin’ny Minisiteran’ny angovo sy ny orinasa, ny delestazy mahery vaika izay nampitroatra vahoaka tamin’ny toerana maro. Raha mba nahavelom-bolo ny tamin’ny faritra sasany tao anatin’ny telo na efatra andro teo, niverina indray ny delestazy mahery vaika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap