Noho ny tsy fahatomombanan'ny tambazotra mitondra herinaratra départ N°15, départ N°16, départ TNVT no nambara fa antony. Betsaka ireo toerana lasibatra omaly nanomboka omaly manodidina ny tamin’ny 12 sy tamin’ny 1 ora ary mbola tsy niverina mandra-pody masoandro, eny fa na ny alina aza mbola betsaka no tapaka. Mandeha kely 5 minitra avy eo tapaka ka tena olan’ny tambajotra ve izany ? Mahita lazaina sy ambara hatrany ny Jirama satria tsy maintsy mitady serasera hatao. Miharihary hatrany anefa fa tsy tena olana teknika, fa tena olana ara-toekarena sy olana ara-tsosialy, ary tsy fisiana fitantana mahomby sy politika mazava momba ny angovo fa fampanantenana poakaty no betsaka. Lojika ny mety fisiana fahatapahana noho ny tsy fahampiana solika, ny tsy fandoavan’ny Fanjakana ara-potoana sy ara-dalàna ireo trosan’ny tsy miankina,… Vao herinandro izay no notaterina ny fisiana trosabe 400 tapitrisa dolara na manodidina ny 1800 miliara Ar tsy voaloan’ny Jirama ho an’ny 2024 fotsiny. Vidin'ny solika sy ny angovo tokony haloa amin’ny sehatra tsy miankina raha ny tatitry anatin’ny « Pacte énergétique national pour Madagascar ». Hatramin’ny tetibolan’ireo Minisitera aza anefa nolazaina fa nokantsanana na nanaovana « coupe budgètaire ». Henjana ireo fifanarahana tsy mahomby sy fandrobana ankolaka ny Jirama, ka tsy arakaraka ny vokatra omena ny vola avoaka,... Tsy tena mahavaha olana ny Fanjakana ! Raha niatrika ny Africa Energy Summit vao tapa-bolana lasa izay dia nipoapoaka ny hoe : manana drafitra mazava sy tetiandro maty paika mikasika ny angovo isika izay namaritana fa mila 7,2 miliara dolara anatin’ny 6 taona i Madagasikara, ka 10% no hovatsian’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny famatsiam-bola madiodio, 30% hoentin’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny endriny trosa na « subvention », ary ny 60% dia ny sehatra tsy miankina no lazaina fa hitondra azy. Ny vola ilaina 7,2 miliara dolara, ny mety ho azo 1,15 miliara dolara,… ka maty paika mankaiza ? Firifiry izay serasera natao izay ho an’ny Fanjakana ankehitriny fa firy isan-jato tamin’ireny no tanteraka sy nahomby. Nandeha ny 400MW anatin’ny 5 taona tamin’ny 2018, nandeha ny aza matahotra fa afaka 6 ka hatramin’ny 8 volana dia foana ny delestazy tamin’ny janoary 2022, mitohy aty amin’ny 2025 fa 1000MW indray ao anatin’ny 4 taona,… Rehefa nivoaka tany ivelan’ny Firenena, dia lazaina fa vonona hanampy sy hiara-hiasa amin’ny sehatry ny angovo ny Frantsay, ny sinoa, ny Afrikanina,… ary ny tamin’ity herinandro ity dia isan’ny hita tany anatin’ny serasera nipoapoaka momba ny fanatrehana ny WGS (World Government Summit) fa vonona hiara-hiasa amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina ny arabo,... Mbola ny resaka ambony latabatra sy fampanantenana poakaty aloha no mitosaka hatramin’izao ! Efa ela izay fampanantenana izay fa rahoviana vao tena asa sy olana mivaha ?
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa