airtel

Actualités

03-nov-2023

Delestazy lava any amin’ny RN 1

Mihamafy ny fahaterezam-bahoaka

Sample post image

Tsy mbola voavaha ny olana ateraky ny fahatapahan-jiro matetika any amin’iny lalam-pirenena

03-nov-2023

voalohany iny. Mbola tsy nahazo valiny mahafapo ireo mponina raha araka ny fitarainan’izy ireo omaly. Mbola tapaka hatrany mantsy ny herinaratra ka ora telo isan’andro izany no mandeha raha misy. Fanampin’izay dia amin’ny ora fandehanan’ny vaovao sy ny fikarakarana sakafo hariva mihitsy no tena hitrangan’izany. Vokany, mirongatra izaitsizy ny tsy fandriampahalemana. Na ny vilany sy ny fatapera handrahoan-kanina eo an-tokontany aza misy mangalatra ka tsy hitan’ny mponina intsony izay hiainana. Tsy lazaina intsony ny hala-botry sy ny sinto-mahery mitranga any an’elakelan-trano. Nomarihin’ny JIRAMA moa fa efa tokony hifarana tanteraka ity fahatapahan-jiro lavareny any amin’ny lalam-pirenena voalohany ity. Hatramin’ny omaly nahazoana ny vaovao anefa dia mbola tsy nahitam-bokany izany.
Pati Legende : Leo ny fampanantenana poakady hataon’ny JIRAMA ireo mponina any amin’ny RN 1 !
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap