Na andro maina, na avy orana, tsy maintsy misy foana ny fahatapahana. Teny amin’ny faritra Ankadindramamy, Mahazo, Ambatomaro,… ohatra omaly 01 febroary, dia nisy naharitra ora 2 ka hatramin’ny ora 4 na mihoatra satria nisy tapaka tamin’ny 6ora40 hariva tany ho any ary tamin’ny 10ora alina latsaka minitra vitsy vao niverina. Hafa ny hoe: nisy fahamaizana goavana tahaka ny niseho tetsy Anosisoa Ambohimanarina vao andro vitsy izay tsy ifanomezan-tsiny, fa misy kosa dia tena mahatezitra ny mpanjifa matetika. Tsy finiavana hitsikera sanatria raha mampahatsiahy ilay toriteny teny amin’ny Coliseum nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo fa nanohina azy, ka mba azony an-tsaina ve hoe: tahaka ny ahoana ny alahelo sy hatezeran’ny olona amin’ny delestazy lava kanefa ny faktiora mitomboka hatrany ary mitombo aza?
Toky R
Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny
Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny
Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na
Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,
Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,
Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.