Nisy naharitra ora valobe izao izany ho an’ny faritra sasany raha ora dimy no kely indrindra. Ho an’ny teny amin’ny faritra Itaosy teny dia nanomboka tamin’ny 03 ora folakandro dia efa tapaka ny jiro ary tsy niverina raha tsy tamin’ny 08 ora alina. Asa mivelona amin’ny herinaratra maro no voatery najanona noho izany. Anisan’ireny ny fanamboaram-bolo, ny fanamboarana kodiarana, ny cyber café izay tena hampiasain’ny olona maro ihany koa indrindra fa ireo misehatra amin’ny tontolon’ ny serasera. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina tompona cybercafé iray dia maty antoka hatrany amin’ny 50.000 Ar izy ireo raha kely omaly folakandro hatramin’ny 08 ora alina tany ho any. Nomarihin’izy ireo moa fa efa fika mahazatra hataon’ny JIRAMA ny manapaka jiro tahaka izao raha vantany vao milatsaka ny ranon’orana. Eo an-danin’izay anefa dia tena manjaka tanteraka ny tsy fandriampahalemana any anaty tanana izay hahaverezan-javatra hatrany. Antso avo araka izany no hatao amin’ny orinasa JIRAMA mba hahay hifampitsinjo fa tsy sanatria ho faly hanaka ny jiron’ny mpanjifa lava izao.
Pati
Legende : Nandehabe ny varotra labozia omaly !
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa