antony isian'ny fikorontanan'ny famatsiana herinaratra amin'ny toerana sasantsasany, hoy ny Jirama ho an’ny omaly. Misy fiantraikany ihany koa amin'ny famatsian-drano noho ireo toby famokaran-drano sy foibe mpampiaka-tosika miankina amin'ny herinaratra. Isan’ny nambara fa antony fahatapahana moa ny olan’ny milina fahatelo any Andekaleka, raha toa ka nambara ny volana janoary, fa ao anatin’ny 6 ka hatramin’ny 8 volana dia hiverina amin’ny laoniny ny famokarana ao Andekaleka izay nampiana milina faha-4 aza taorian’ny fahamaizana. Voalaza fa efa niverina tamin’ny laoniny ny alatsinainy tamin’ny 10 ora alina, saingy mbola nisy ihany ny fahatapahana tamin’ny toerana maro, ary mbola nisy 5 takelaka ny fampahafantarana novinavinaina fa hisy olana ny famatsiana herinaratra. Taorian’ny fanamboarana tany Andekaleka, voalaza fa 87MW amin’izao ny famokarana, ary rehefa vita mandeha ny milina faha-4 dia hahatratra 120MW izay hahavaha ny delestazin’ny tambajotra RIA. Enga anie mba ho izay tokoa.
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa