fotoana izao ity, raha tsy hilaza afa-tsy ny zava-misy eto Antananarivo renivohitra. Ny delestazy moa na ilay fahatapahan’ny herinaratra lavareny efa zary an-davan’androm-piainan’ny malagasy. Rehefa tsy mampiasa aro herinaratra na «stabilisateur» fara-faha keliny ny orinasa madinika mila mampiasa herinaratra dia fotoana fotsiny no andrasana mandra-paha potika tanteraka ireo fitaovana. Raha ambany nefa ny tanjaky ny herinaratra hita ao anatin’izany dia aleo ihany koa tsy mampiasa ireo fitaovana na dia efa tafaverina aza ny jiro, hoy ny fanazavàn’ny raim-pianakaviana iray, satria mety handoro ireo fitaovana mihitsy izany raha tsy voatandrina. Izay ilay hoe herinaratra tsy mahatosika. Maro amin’ireo mpiasa nefa no tsy afaka miandry izany fa voatery mampiasa mivantana ny herinaratra efa misy na dia mbola ambany aza ny tanjany na «pression», hoy ihany ny fanazavàna. Mpanefy vy na «soudeur», mpanety na «coiffeur», fikoloana endrika amam-bika na «salon de beauté et d’esthétique», cybercafé, hotely fisakafoana samihafa, maro no karazana fihariana madinika voahelingelina sy potika mihitsy noho ity olan’ny herinaratra sy rano ity, raha ny fanazavàna sy fitarainana voahangona hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa