airtel

Actualités

30-juin-2023

Actualités

Delestazy tsy ahitam-bahaolana Mitady mpanavotra fa tena vizana ny Jirama

Sample post image

Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny alarobia 29 jona teo ny hamaranana ny dingana handraisana manam-

30-juin-2023

pahaizana iray izay hisahana ny fanarenana maika ny orinasa JIRAMA. Miaiky ny Fanjakana fa anaty krizy lehibe ity orinasam-panjakana ity ary tsy manam-bahaolana, ka hiandraikitra ny toeran'ny « manager de redressement » izany tompon'andraikitra izany. Io no hanao izay fomba rehetra hamahana ny krizy lalina amin'ny fomba fitantanana eo anivon'ny orinasa ao anatin'ny fotoana voafetra. Vao herinandro lasa izay no nanamafy ny Solontena maharitry ny Banky Iraisam-pirenena Rtoa Marie Chantal Uwanyiligira fa mila mpitantana tena mahay ny Jirama, ka isan’ny maika ny fahamarinan-toerana ara-bola satria amin’izao dia tsy maintsy mamoaka 100 tapitrisa dolara eo ho eo amin’ny volam-panjakana hanohanana azy. Nanomboka tamin'ny volana aprily 2023 lasa teo no efa nisy ny fandraisana "cabinet de recrutement" iraisam-pirenena, novatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola ao anatin'ny tetikasa LEAD (Least Cost Electricity Access Developpement) ka io « cabinet de recrutement » io no nanao ny antso fitadiavana an'io manam-pahaizana io teto an-toerana sy teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena koa. Ny 24 may 2023 no fara-fandraisana ireo kandidà maniry hiandraikitra io asa stratejika eo anivon'ny orinasa JIRAMA io. Miisa 19 izy ireo no namaly ka ny 5 taminireo ihany no Malagasy. Nisy ny mason-tsivana miisa 13 napetraka hahalalana ny tena fahaiza-manaon ireo kandidà, ka taorian'ny fampiharana ny mason-tsivana dia kandida 6 sisa no tavela, raha ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra. Taorian'ny dinika (entretien) izay dingana manaraka natao, dia kandidå 4 sisa, izay nambara fa manana fahalalana teknika sy fahaiza- mitantana ary traikefa lasa lavitra amina fanarenana orinasa anaty fahasarotana tahaka ny JIRAMA, ary mahalala tsara ny zava-misy eto Madagasikara no voatazona. Hiditra amin'ny dingana manaraka indray ny « cabinet de recrutement” izay hametrahana mason- tsivana avo dia avo mikasika ny drafitra hanarenana ny orinasa hanaovan'ny kandidà tolo-kevitra, ny haitarika (leadership et gestion) ananany sy ny fitiliana ny mombamomba ilay olona manokana (tests de personnalitė) dia kandidà 2 sisa no ho tavela farany izay hatolotra ny Filan-kevitry ny Minisitra mba handraisana fanapahan-kevitra ao anatina fotoana fohy. Ny tena tanjona maika dia ny hahafahana mamarana tanteraka ny fahatapahan-jiro miverimberina izay mampikaikaika ny vahoaka malagasy maro ankehitriny. Rehefa zohiana, eo ny olana teknika samihafa, fa olana ara-bola no tena lesoka ao amin’ny Jirama. Azo atao tsara ny mandefa ny herinaratra rehefa andro fety, fa ampahoriana ny Malagasy rehefa andavanandro, potika ny fihariana maro,… Mbola miharihary hatrany ankehitriny fa fafy lainga sy balarora no betsaka tamin’ny propagandy, poakaty ilay 400MW,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny

Card image cap
16-mai-2025

Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny

Card image cap
16-mai-2025

Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na

Card image cap
16-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,

Card image cap
16-mai-2025

Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,

Card image cap
16-mai-2025

Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.

Card image cap