airtel

Actualités

12-mai-2023

Actualités

Delestazy tsy misy farany Mila vahaolana hafa fa ny Jirama efa reraka

Sample post image

Ahitan-javatra hafahafa foana mitranga aoamin’ny jirama, tranga izay mitarika fahatapaan’ny famatsiana herinaratra na delestazy moa nno teny mahazatra ny maro.

12-mai-2023

Omaly izao dia nanambara ny jirama fa nilatsaka tampoka ireo vata mpanova herinaratra na transformateurs TR7 sy TR8 ao Ambohimanambola ka izay no antony nampisy fahatapahana tamin’ny famatsiana herinaratra ho an’ny tambazotra iraisan’Antananarivo. Nisy tokoa ny delestazy omaly tolakandro teto Antananarivo, mialohan’io dia teo ny hoe nisy nisompatra ny andrin-jiro goavana mitondra ireo tariby, ka niteraka fahatapahana izany, mialohan’izay dia ilay hoe tsy tonga ara-potoana ny solika, na nopihan’ilay orinasa tsy miankina ny « groupe » hany ka tsy maintsy natao ny delestazy mitety faritra.Rehefa vanim-potoan’ny orana dia tojo olana ny toby mpihary herinaratra Andekaleka fa hoe misy fako tafiditra ; rehefa main-tany dia voalaza fa tsy ampy ny tosiky ny rano.Mandavan-taona izany dia misy karazana antony mahatonga ny delestazy foana eto Madagasikara, raha atao mahitsy ny resaka dia olana fa tsy vahaolana no tena betsaka vao miresaka hoe Jirama, ary lasa asa manokana eo anivon’ity orinasa ity ny famoahana lisitry misy anaran-tanàna maro be milaza ny delestazy. Tsy mbola niova aloha hatreto ny zavamisy fa dia matiantoka isan’andro ny Jirama, ny mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola anefa manery mafy ny fanjakana mba tsy hanome tosika fanampiana ara-bola ny jirama intsony. Ka inona moa izany fa dia mihombo ny aretina ary miha reraka isan’andro eo ny jirama.
TOSIKA « PANNEAUX SOLAIRES »
Ka eto no mipetraka ny fanontaniana hoe : hiandry mandra-paha rahoviana moa izany vao hita sy ampiarina ny vaaolana mahomby momba ny jirama ? Izany hoe mahavokatra herinaratra ampy tsara ho an’ny filàna ? Maro no efa manaitra sy misintona lakolosy hoe tokony hiditra amin’ny etsika Tosika Panneaux solaires isan-tokantrano ny fitondram-panjakana sy ireo izay afaka miara-miasa aminy. Izany hoe hamoraina ny fomba hahazoan’ny isan-tokantrano « panneaux solaires » mba hampiasana angovo azo havaozina fa tsy hiantehitra amin’ny jirama irery ihany.Miainga amin’ny jiro manazava ny ao an-trano io ary afaka itarina any amin’ireo fitaovana fampiasa na ny fitaovana hiasana.Efa ho 10 taona mantsy izao no niafy amin’ny delestazy tena henjana ny Malagasy, misy voka-dratsy any amin’ny fiariana sy ny fitadiavana ary ny toekarena ilay izy, miteraka fahasorenana eo anivon’ny fiarahamonina. Mazava ho azy fa tokony irosoana ny fanamboarana tohodrano lehibe sy toby famokarana herinaratra fa tsy maintsy mitady vahaolana hafa koa anefa mandra-pahavitan’izany fa tsy hoe hiandry vasoka sy hanantenana fahagagana amin’ny jirama . Raha izany no andrasana dia tena ho tanteraka ilay hoe : ho hitan’ny havany eo.Tsy handroso mihitsy ny eto raha izao olana isan’ora no jirama izao no jerena, mila mahita vahaolana hafa. Mbola resaka hafa sarotsarotra ny hoe fitantanana…fa zavatra mila tsaboina maika koa io.
RTT
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap