nisy ihany koa ny hetsika nataon’ny olona teny Soavimasoandro sy Tsarasaotra Ivato ny faran’ny herinandro teo. Endrika isehoany hatrany ny fandorana kodiarana sy fanakanan-dàlana. Leo sy tofoka tanteraka ny olona, ary tsy fanazavana sy fitanisana olana no takian’izy ireo fa fivahan’ny olona. Tetsy andaniny, nanamafy ny serasera fanaony ny Jirama ka namoaka fa mihena ny vokatra herinaratra vokarin’ny Jirama, ka miteraka fahatapahana mitarazoka. Anisany anton'ny fahatapahan-jiro mifandimby, mitarazoka eto anivon'ny tambajotra iraisan'Antananarivo ny fihenana hatramin’ny 65% eo amin’ny famatsiana solika taterina amin’ny fiara lehibe (camion). Mahatratra 4 hatramin'ny 5 andro ny dia iray noho ny faharatsian’ny lalana izay maharitra 2 na 3 andro teo aloha. Eo ihany koa ny faharitran’ny rano mamatsy ireo tobi-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny rano. Tsy afaka mamokatra hafa tsy 46MW hatramin'ny 68 MW intsony Andekaleka amin'izao raha tokony ho 89MW izany. 14MW sisa no vokarin'i Mandraka raha tokony ho 24MW. Tsy misy afatsy 9MW ny vokatry Sahanivotry raha tokony ho 18MW. Ho an'i Farahantsana 13MW raha tokony ho 28MW. Na eo aza ny tsy fahampian'ny vokatra herinaratra milaza ny « hanao ezaka manokana » ny mpitantana hiatrehana ny fetin’ny faran’ny taona sy amin’izao lalao fifaninana baolina kitra maneran-tany izao. Efa tahaka izany ny serasera natao talohan’ny nanombohan’ny “mondial” fa inona no teo? Nambara fa hohampitomboina ny fiara lehibe (camion) miasa mba ho 400m3 isan'andro ho an’ny tambazotra iraisan’Antananarivo raha toa ka 300 m3 isan'andro izany teo aloha ary 75m3 isan'andro ho an’ny faritra ivelan'Antananarivo. Nolazaina fa misy ihany koa ny ezaka fandatsahana orana amin’ireo vondrona mpamatsy herin’aratra tena voakasika ny tsy fahampian’ny rano toa an’Andekaleka – Tsiazompaniry sy Mantasoa. Natomboka ny zoma 2 desambra ka hatramin’ny omaly alahady 4 desambra izany, raha ny serasera. Ny olona etsy andaniny efa tena leo fampanantenana lava, manampy trotraka ny ady an-tranon’ny mpitantana, ny ahiahina kolikoly mahatsiravina,… Asa hoe: hatraiza ny fahatezeram-bahoaka vao ho taitra ny Fanjakana?
Toky R
Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,
Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,
Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,
Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément
Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy
Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.