airtel

Actualités

30-déc-2024

Delestazy tsy nisy tao anatin’ny 60 taona

Nitroatra ny vahoakan’i Sonierana Ivongo !

Sample post image

Mandrak’androany, mbola mijanona ho isan’ny olana goavana manerana ny Nosy

30-déc-2024

ny fahatapahan-jiro na ny delestazy lavareny isan’ny nanamarika ny taona 2024. Tsy eto Antananarivo ihany io mazava ho azy, saingy tsy tena manana vahaolana maharitra ny Fitondram-panjakana. Ny faran’ny herinandro teo, ny vahoaka tao an-drenivohitr’i ny Distrikan’i Sonierana Ivongo indray no niara-nirona nanao filaharam-be fa leo delestazy. « Tsy àry nahita fahatapahan-jiro tahak'izao izahay hatrizay nisin’ny jirama teto Soanierana Ivongo renivohitra », hoy ny vahoaka. Nangotraka ny fanakanan-dàlana sy fandorana kodiarana sy hazo lehibe teny an-dalambe nanehoan’ny vahoaka ny fahatezerany. Milina iray moa no ampiasaina no ampiasaina ao an-toerana ankehitriny, ka tsy maharaka ny filan’ny vahoaka. Voalaza lantsy fa simba ireo milina roa fanampiny. Ny orinasa Henri Fraisemoa no mpiantoka ny milina izay hiasan'ny jirama ao Soanierana Ivongo. Nafampana ny hetsika ka tonga hatrany amin’ny fiantsoana hoe : aiza ny Solombavambahoaka izay voafidy teto Sonierana Ivongo ? Tsy hita ireo olona tokony hiaro ny vahoaka aminy filan’izy ireo raha efa am-bolana, maro ny mpiasa’ny jirama miresaka fa efa reraka ireo milina, hoy hatrany ny tatitra notaterin’ny fampahalalam-baovao iray ny sabotsy teo.
Toky R


 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap