airtel

Actualités

12-sept-2024

Delestazy

Zava-doza ny fahatapahana alina

Sample post image

Miha zava-doza hatrany ny fahatapahana herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina.

12-sept-2024

Nanamafy ny tsy maintsy hisian’ny delestazy mifandimby ny Jirama. « Midina daholo ny renirano, isan’ny voakasika manokana Andekaleka izay manana tanjaka 120MW kanefa 60MW sisa amin’ny atoandro. Voatery miroso amin’ny fahatapahana izay adin’ny roa eo isaky ny faritra », hoy ny Tale Jeneraly misahana ny famokarana herinaratra Atoa Manda ny Aina Nomena. Omaly alina dia efa zava-doza, nihoatra ny adin’ny roa ! Izao tsy ampy ny tosiky ny rano dia delestazy tsy hifankahitana. Rehefa tonga indray ny fahavaratra dia hoe : noho ny tosiky ny rano be loatra, dia delestazy indray,… Tany aloha efa nolazaina fa noho ny vorona mitaingina ireo tariby ! Tsy misy vanim-potoana tsy misy fahatapahana, ary fampanantenana lava no mivoaka am-bavan’ny mpitondra. Serasera poakaty mandavan-taona. Tsy misy filazana mazava intsony hoe : rahoviana marina aza no hivaha ny olana ? Na ilay drafi-panarenana natolotry ny Tale Jeneraly Ron Weiss aza tsy nisy tohiny sy tatitra mazava intsony hoe : nahazo fankatoavana tamin’ny Fanjakana ve ny drafitra ara-bola ohatra ? Dia samy miandry hatrany fa hatreto aloha toa poakaty izay nolazaina raha tsy hilaza afatsy ny 400MW tao anatin’ny 5 taona lasa !
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-avril-2026

Ben'ny tanàna ny Vahoaka

Card image cap
21-avril-2026

10 volana izay no dify taorian’ ny

Card image cap
21-avril-2026

hoy ny ben’ny tanàna

Card image cap
20-avril-2026

amin’ny Fanjakana sy ny PTF

Card image cap
20-avril-2026

ny fanenjehana ny Mopera Pédro

Card image cap