airtel

Actualités

12-sept-2024

Delestazy

Zava-doza ny fahatapahana alina

Sample post image

Miha zava-doza hatrany ny fahatapahana herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina.

12-sept-2024

Nanamafy ny tsy maintsy hisian’ny delestazy mifandimby ny Jirama. « Midina daholo ny renirano, isan’ny voakasika manokana Andekaleka izay manana tanjaka 120MW kanefa 60MW sisa amin’ny atoandro. Voatery miroso amin’ny fahatapahana izay adin’ny roa eo isaky ny faritra », hoy ny Tale Jeneraly misahana ny famokarana herinaratra Atoa Manda ny Aina Nomena. Omaly alina dia efa zava-doza, nihoatra ny adin’ny roa ! Izao tsy ampy ny tosiky ny rano dia delestazy tsy hifankahitana. Rehefa tonga indray ny fahavaratra dia hoe : noho ny tosiky ny rano be loatra, dia delestazy indray,… Tany aloha efa nolazaina fa noho ny vorona mitaingina ireo tariby ! Tsy misy vanim-potoana tsy misy fahatapahana, ary fampanantenana lava no mivoaka am-bavan’ny mpitondra. Serasera poakaty mandavan-taona. Tsy misy filazana mazava intsony hoe : rahoviana marina aza no hivaha ny olana ? Na ilay drafi-panarenana natolotry ny Tale Jeneraly Ron Weiss aza tsy nisy tohiny sy tatitra mazava intsony hoe : nahazo fankatoavana tamin’ny Fanjakana ve ny drafitra ara-bola ohatra ? Dia samy miandry hatrany fa hatreto aloha toa poakaty izay nolazaina raha tsy hilaza afatsy ny 400MW tao anatin’ny 5 taona lasa !
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap