Nahitsy izy naneho fa isan’ny tondro faobe momba io fanajana ny zon’ny olom-pirenena io ny filaharana momba ny fahalalan’ny asa fanaovan-gazety notaterin’ny RSF (Reporter Sans Frontière). Ratsy indrindra ny naotin’i Madagasikara ho an’ireo firenena aty amin’ny Ranomasina Indianina. Nitotongana any amin’ny faha-98 raha faha-57 tamin’ny taonn-daza, raha toa ka niakatra eo amin’ny faha-13 ny Nosy Seychelles, toerana 3 ihany no very ho an’i Maurice, raha toa ka nahazo toerana iray i Comores, hoy izy nampahatsiahy. Mikasika ny setriny miiba avy amin’ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy momba ny filaharana, dia nomarihin’ity Praiminisitra lefitra teo aloha kosa, fa tsy afaka ny hikipy eo anatrehan’ny fikasana hanakatona haino aman-jery maro izay manana fahasahiana hitsikera ny mpanatanteraka sy ny fahasarotana ara-toekareena izay miantraika ihany koa any amin’ny fahalalahan’ny mpanao gazety ny RSF. Misy akony any amin’ny zo hahazo vaovao ihany koa ny famoahana hanan-kery ny lalàna momba ny heloka an’habaka na « cybercriminalité » aminy. Aminy, maro ny lesoka mbola mila harenina toy ny fahalalan’ny mpanao gazety eo anatrehan’ny Fanjakana, ny tompon’ny orinasan-gazety, ny famakafakana mahaleo tena,… Mila ezaka i Madagasikara mba hanatsarana ny fahavitrihan’ny haino aman-jery mba hisian’ny tena mpanao gazety mirotsaka amin’ny fanadihadiana lalina hanome vaovao ilaina mba hahatongavana any amin’ny demokrasia madio. Ny demokrasia izay mametraka ny asa mpanao gazety ho hery fahaefatra aorian’ny fahefana mpanatanteraka, mpanao lalàna, ary fahefam-pitsarana. Aminy, ny fandrakofam-baovaon’ny haino aman-jery, dia tokony hisy kalitao sy fifandanjana, ary afaka tena mitsikera ny ambaran’ny politisianina, ny antanan-tohatra samihafa, ny orinasa ara-barotra ary ny rafitry ny firaisamonim-pirenena ka ao anatin’ny firindrana ara-porofon-kevitra, ary manana ny antsoina hoe : « légitimité » mazava ho azy.
Toky R
Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,
Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,
Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,
Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément
Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy
Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.