airtel

Actualités

07-janv-2021

Actualités

Didier Ratsiraka « Tsy tokony hanana olana isika raha nokojaina Andekaleka »

Sample post image

Tena olana mihatra isam-baravarana mihitsy amin’izao ny tsy fahampian’ny jiro sy rano vatsian’ny orinasa JIRAMA.

07-janv-2021

 

 

 Naneho ny heviny mifandraika amin’izany ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka ka mambarany fa tsy tokony hanana olana mifandraika amin’ireo isika raka raha notazonina sy nokojakojaina hatrany ny toho-dranon’ Andekaleka, Sahamadio ary Namorona araka ny fikasany. Tsy nisy nanohy ny asa vita hoy izy ary vokatr’izany dia orinasa vahiny no lasa hanao ny asa ary omentsika vola hofan-jiro. Mikasika ny rano manokana dia notsiahiviny ihany koa fa fantson-drano an’arivony kilometatra no vitany, ny fitaterana ny rano avy any Mandrare hanavotana ireo any atsimo, ny fanamboarana lava-drano ary ny impluvia. Samy tsy nisy nanohy avokoa ireo hoy hatrany izy. Toraka izany koa ny lafiny fanabeazana izay nanambarany manokana fa anisan’ny sehatra tena nahitana zava-baventy nijoro tamin’ny fotoana nitantanany. Anisan’ireny ny fananganana oniversite 1 isaky ny Faritany, ny lisea 1 isaky ny Fivondronana, ny CEG 1 isaky ny Firaisana ary ny EPP 1 isam-pokontany. Notanisaina ihany koa ny fampianarana arak'asa vitsivitsy toy ny INSCAE, INTH, ENI, ny akademia Ny Antsika sekolin’ny baolina kitra voalohany tao Antsirabe izay nipoiran’i Faneva sy Carolus...Nivoitra ireo nandritra fiarahabana nahatratra ny taona vaovao ity filoha teo aloha ity no sady filoha mpanorina ny antoko AREMA. Nitarika izany ny filankevitry ny olon-kendry. Nampahatsiahivina nandritra izany moa fa ny antoko AREMA dia hankalaza ny faha-45 taonany amin'ity taona ity. Manana ny maha izy azy ny antoko hoy izy ary nahavitabe teto amin’ny tany sy ny firenena.

 Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap