airtel

Actualités

14-sept-2023

DIDIM-PITSARANA HOSOKA

Mpisara-panambadiana 11 voasoloky an-tapitrisany

Sample post image

Mpivady miisa 11 nikasa hanao fisaraham-panambadiana avy any amin'ny distrikan'i Bealanana no voasoloky vola an-tapitrisany.

14-sept-2023

Nilaza ho mpiasan'ny fitsarana ilay mpisoloky ka miteny ho mahavita sy mikarakara ireo raharaha ireo. Rehefa nivoaka anefa ireo didim-pitsarana ka nentina hanaovana fisoratam-panambadiana vaovao dia fantatra fa tsy manan-kery.Nisy ny fitoriana napetrak'ireo voasoloky ka natao ny vela-pandrika nentina nisamborana ilay olon-dratsy. Voasambotra vokatr’izany ilay rangahy mpisoloky. Raha araka ny fantatra dia didim-pitsarana nivoaka avy eto Antananarivo ilay izy raha tokony ny TPI Antsohihy no fitsarana mahefa amin’ io faritra io. Mampahatsiahy hatrany araka izany ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany etsy Anosy fa maro ireo olona milaza ho mahavita mikarakara raharaha toy ny fisaraham-panambadiana tahaka izao saingy ny tsara indrindra dia manatona ny tompon’andraikitra hatrany hisorohana ny vola very sy ny mety ho fahadisoam-panantenana.
Pati
Legende : Ity ilay rangahy mpisoloky sy ireo didim-pitsarana hosoka nampiasainy !
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap