airtel

Actualités

31-juil-2023

Actualités

Distrikan’Anjozorobe Nahazo ozinina fanodinana menaka sy soja

Sample post image

Hihatsara ny fiharian'ny tantsaha mpamokatra soja sy voanjo any Anjozorobe!?

31-juil-2023

Haodina ho lasa menaka ny soja sy voanjo vokatra any amin'ny distrikan'Anjozorobe manomboka izao. Ozinina mahatoto akora fototra 1200kg isan'ora, izany hoe 10 taonina isan'andro eo ho eo no naterin'ny Minisitra ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Atoa Edgard Razafindravahy tany an-toerana ny sabotsy 29 Jolay 2023 teo. Voanjo 3kg na soja 5kg no hahazoana menaka 1 litatra amin'ity fitaovana ity. "Tsy adino tokoa ny distrikan'Anjozorobe araka ny tenin'ny Filoham-pirenena. Ampitao any aminy ny fisaorana Andriamatoa Minisitra", hoy ny Solombavambahoaka voafidy tao Anjozorobe, Odon Mbelo Ndriamamonjy tamin'ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana. Nilaza io Minisitra Edgard Razafindravahy io, fa toromariky ny Filoham-pirenena ny hijerena ny fiveloman'ny olona eny ifotony.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap