ny 27 Febroary teo tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Bongatsara ilay hetsika fambolen-kazo niarahana tamin’ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano, izay notarihin’Andriamatoa Lehiben’ny Distrika. Ity hetsika ity dia anisan’ny ezaka iombonana ho fiarovana ny tontolo iainana sy fanamafisana ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Ny tanjona dia ny hananana tanàna maintso, madio ary maharitra, hahasoa ny taranaka ankehitriny sy ny taranaka ho avy. Hazo an-jatony no novolena tamin'izany. Tonga nanatrika izany ireo Ben’ny tanàna ao anatin'ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano, Ramatoa Médecin Inspecteur ao Antananarivo Atsimondrano, ny Solombavambahoakan'Atsimondrano, ny Lehiben'ny fari-piadidiam-pampianarana ao Atsimondrano ,ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Ny fiaraha-mientana tahaka izao hoy ny tompon'andraikitra dia manaporofo fa rehefa miray hina isika dia afaka mitondra fandrosoana sy fanovana maharitra ho an’ny kaominintsika. Nisy moa ny fanentanana mba hikarakara sy hiaro ireo hazo novolena nandritra izany. Ny fikajiana azy ireny mantsy no antoka hahatanteraka ny vina ho tanàna maintso sy mirindra.
Pati
Légende : Samy nandray anjara tsirairay avy tahaka izao avokoa ny mpizaika !
Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona