valanjavaboahary sy toerana manodidina valanjavaboahary efa ho 6 no nahitana firehetana tao anatin’ny herinandro dia ny : alan’Ankaraba akaikin’i Tampoketsa, Baie de Bali Soalala, Ankarafantsika, toeram-pambolen-kazo ao Marohogo ary Zombitse Vohimbasia. Mbola tsy tafiditra ao anatin’ny fanisana ny tebok’afo maro be amin’ny lalam-pirenena faha 4 mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga, izay efa nisy hatramin’ny volana aogositra. Mbola tsy voaresaka ihany koa ny any amin’ny toerana hafa mety tsy hita sy tsy tazana satria ambanivohitra be. Mampihoron-koditra ny zavamisyTsy resaka hoe andro mafana migaingaina be no nitarika ny afo raha ny fanadihadiana vonjimaika tany amin’ny ankamaroan’ireo tranga ireo fa tena afo niniana natao. Mety eo ihany koa ny tsy fitandremana, tahaka ny hoe nisy mpitsangatsangana mbola nifoka sigara sy nanipy tetsy sy teroa, na nandrehitra afo nanokonana sakafo dia tsy maty tsara ny afo kanefa lasa dia iny no niparitaka.Fa eo ihany koa ny hoe misy mandoro tanety mba hampalemy kokoa ny tany hiasana avy eo , sy hampatsiro sy haha maitso kokoa ny ahitra ho an’ny omby. Misy moa mazava ho azy ny mandrehitra sy mandoro hazo satria manao saribao. Fa amin’ny ankapobeny izany dia mitombo ny ala mirehitra eto ary ny tena zavadoza dia valanjavaboahary sy faritra voaaro no tra-doza.
TSY FAHALALANA, ANTONY ARA-TOEKARENA
Antony mahatonga izao firehetana izao voalohany dia ny tsy fahalalana aloha, maro ny Malagasy tsy miasa saina hoe zava-doza ho an’ny firenena sy ho an’ny taranaka ny fandoroana ala fa io no fomba nahazatra azy sy niainany hatrizay dia ataony io.Mifandraika amin’izay ny lafiny ara-toekarena, mitrandraka ala no asa ahazoana vola dia izay no atao fa tsy mandefa eritreritra lavitra ; mandeha koa ny fanaovana saribao, ny fakana kitay mba handrahoana sakafo dia atao foana fa tsy mandinika.Na mety mahafantatra ihany fa tsy afa-manoatra noho ny tsy fananana. Eo ihany koa ireo olona mifindra monina satria tratry ny kere dia mitady toeran-kafa ary mampiasa ny ala mba hiainany. Mbola manampy trotraka ireo ny fanapahana hazo tsy am-piheverena sy ny fanaovana trafika.
MISY VAHAOLANA VE
Mbola mampiasa harina fandrehitra (saribao) sy kitay ny 90% n’ny tokantrano Malagasy.Mbola sarotra noho izany no hiteny hoe manomboka izao tsy mahazo mampiasa/manao saribao intsony, na hoe raràna tanteraka ny fanapahana hazo atao kitay.Azo atao tsara ny mamboly hazo natokana ho an’ny saribao sy ny kitay ; miaraka amin’izay zavatra efa misy mahavita eto ny saribao azo avy amina akora hafa, toa ny fako ohatra.Misy ihany koa ny fahafahana mampiasa sy « Ethanol » ampiasana amin’ny fatana handrahoana sakafo ; na mbola lafo aza ho an’ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy dia azo atao tsara ny mampiasa ny entona fandrehitra (gaz) ka karohina izay fomba hahafahan’ny rehetra mahazo azy.Mazava ho azy fa mila fandaharanasa sy serasera matotra be avy amin’ny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miasa aminy izany, mila loharanom-bola ary tena lehibe ny fifandresen-dahatra sy ny fanabeazana miaraka aminy.
Legende : Ny afo kitay sy ny saribao no mbola be mpampiasa indrindra eto Madagasikara
Ireo vokatry ny doro tanety sy doro ala : ringana ny ala, karakaina ny tanimbary, miantona ny orana, maina ny tany, maloto ny rivotra iainana, ringana ny zavamananaina sy ny zavamaniry maro.
RTT
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa