airtel

Actualités

13-avril-2026

DOSIE LALATIANA RAKOTONDRAZAFY

Trano maro nandaniana 21 miliara

Sample post image

misy tsy vita, ny sasany nirodana...

13-avril-2026

Raharaha isan’ny naneho fitantanana tsy mangarahara ny firodanan’ny Tranon’ny serasera sy ny kolontsaina (Maison de la communication et de la culture – MCC) tao Morondava Renivohitry ny Faritra Menabe ny novambra 2022, saingy tsy hita izay tohiny tao anatin’ny Fitondrana Rajoelina, fa nezahina nosarontsaronana tao. Io fotodrafitrasa io izay nirodanafotoana fohy taorian’ny nitsanganany. Tao anatin’ny fitantanan-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy ny MCC io. Araka ny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty (Cour des Comptes), tokony ho 1 miliara Ariary (eo amin’ny 5 milliards FMG) no lany tamin’ilay. Tsy vitan’izay anefa, fa ho an’ny MCC, dia 17 no nokasaina hatsangana manerana ny nosy, ka 21 miliara Ariary (eo amin’ny 85 milliards FMG) no teti-bola natokana nandritra ny fotoana nitantanan-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy teo amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Voalazan’ny Cour des Comptes fa misy amin’ireo trano ireo efa naloa tanteraka ny vola (100%) nefa tsy vita ny asa, ary nisy mihitsy ny fampiasana taratasy fandraisana hosoka (« faux procès-verbal de réception »). Ny tany Amoron'i Mania ohatra, voalaza fa zara raha vita kanefa namoahana volabe. Izany no mampiahiahy ny amin’ny fahavitan’ny asa sy ny kalitaon’ny fotodrafitrasa. Mazava ho azy fa tafiditra tamin’ny afera fitantanana volam-panjakana tsy mazava nisiana fanodinkodinana hatrany amin’ny 3811 miliara Ariary (eo amin’ny 19 000 milliards FMG) nandritra ny vanim-potoana 2020–2025 io. Tsara ny manamarika fa nisafidy ny handositra an’i Madagasikara ny Minisitra sady loholona teo aloha Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy rehefa nivaivay ny toe-draharaha teto ny septambra-oktobra 2025. Ny tenany izay namerimberina matetika tamin'izany fa madio, tsy manana dosie,... Vao ny herinandro lasa no nampaneno lakolosy ny Firaisamonim-pirenena amin’ny tokony hanenjehana ireo tompon’antoka maro samihafa, fa indrindra ny hanaovana izay hamerenana sy hanoneran’ireo nanodikondina volam-bahoaka.
HO VITAVITA HO AZY HATRANY VE ?
Efa nisy ihany koa moa nialohan’izay ny baiko sy toromarika nataon’ny Filohan’ny fanavaozana noraisina tao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hanafainganana ireo fanadihadiana marolafy manodidina io afera fanodinkodinana volam-panjakana efa manafosafo ny 4000 miliara Ar izay ampahatelon’ny tetobolam-panjakana Malagasy anatin’ny herintaona eo. Efa miditra amin’ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao ny IGE (Inspection Générale de l’État) momba ireo ahiahy fanodikodinana sy tsy fanarahan-dalàna ireo. Andrasana ny tohiny eo amin’ny fitsarana sy ny sazy mety hihatra amin’izay voarohirohy tao anatin’ny Fitondran’i Andry Rajoelina sy ny ny Praiminisitra Ntsay Christian, ary ny heverina fa dian-tanan’ny mpandraharaha Malagasy Mamy Ravatomanga, izay mbola voatazona atsy amin’ny Nosy Maurice hatramin’izao. Vitavita ho azy avokoa ve ireo dosie mikasika mpitondra ambony rehefa mivalona ny taon amaro satria nisy an’ireo olona ambony teo aloha nanana dosie sy nanao sesin-tany politika ny tenany ohatra toa nilamina ny ankamaroany rehefa niova ny fitondrana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap