airtel

Actualités

24-mars-2026

Dosie sy ampamoaka

momba ny raharaham-pirenena

Sample post image

Nametraka fitoriana teny amin'ny PAC ny PSOM

24-mars-2026

Tsy tokony avela handalo na hangina fotsiny ireo karazana dosie milaza zavatra mahakasika ny raharaham-pirenena eto amintsika hoy ny PSOM na ny fovondronamben'ny mpitolona mba hivoahan'ny marina. Tsy nangina intsony izy ireo taorian'ny nivoahan'ilay horonan-tsary mihetsika ny faran'ny herinandro teo iny izay nampalaza tampoka an-dRtoa Raissa Razaivola. Nambaran'ny Maître Aliarivelo Maromanana izay nisolo tena azy ireo fa betsaka tamin'ny dosie nifono ny raharaham-pirenena teto amintsika navoakan'ity Renim-pianakaviana mpandraharaha ity no niniana tsy nojerena akory hatramin'izay. Ankehitriny hoy izy tokony ovana izay fomba fiasa izay mba hahafahana manavaka ny vary sy ny tsiparifary. Aleo hivoaka ny marina hoy Maître Aliarivelo tsy hanavahana na iza na iza rehefa misy tranga tahaka ireny. Tonga nirodorodo teny amin'ny PAC 67 ha moa izy ireo omaly nanatitra izany fitoriana izany. Notsiahiviny fa antom-pijoroan'ny PSOM ny ady amin'ny fivoahan'ny Fahamarinana mifandraika amin'ireny karazana dosie ireny tsy asiana ankiafina.
Pati
Légende : Ireo mpikambana eo anivon'ny PSOM notarihin'ny Maître Aliarivelo Maromanana !
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap