fomba iainana azy no azo ovaina»
Mety mandrava tanteraka ny fiainam-piarahamonina mihitsy fa tsy miteraka aretin-tsaina na aretim-batana fotsiny ny resaka fiankinandoha toy ny amin’ny zava-mahadomelina, hoy ny Dr Alice Pélerin Ranorojaona, Mpahaiolona no sady mpitsabo namorona ny fomba fitsaboana atao hoe Joroterapia. Io fomba fitsaboana io, hoy izy, dia miainga amin’ny tantara misava tetiharana. Ny olona rehetra tsinona dia mandova ny tantara nisy tany aloha tany sy ny olana nisy tany. Amin’ny alalan’ny fihetseham-po no hiampitàn’ny korontana satria na dia tsy fantatrao aza izay nitondra izany fihetseham-po izany tany aloha tany fa ohatra ianao milanja ny lova tamin’ny raibenao na renibenao na izay fianakavianao tany aloha efa maty tany dia mbola mifandraika amin’ny fiainanao ihany izay fihetseham-po izay. Manjary tsy mifanintsy izany ny fihetseham-po iainana amin’ny zava-nisy taloha sy ankehitriny. Lasa mikorontana ilay fihetseham-po. Tokony manamora sy manampy amin’ny fitsaboana ara-medikaly ny fisavàna ara-tantara satria ireo indrindra no aretina tsy hitan’ny Dokotera. Tsy tokony ampifanoherina, noho izany, ny fitsaboana nenti-paharazana sy ny medikaly fa ampifanampiana satria izay tsy hita any amin’ny medikaly dia hita any amin’ny kolontsaina. Tsy mitovy ny fomba fisavàna ny fisehon’ny aretina amin’ny fomba medikaly sy kolontsaina. Mila ianarana izay. Ohatra iray izao hoe zaza mifanintona lava dia rehefa nojerena ny toe-batany nefa tsy nahitàna olana fa nony nodinihana ilay ara-tantara dia hay ilay zaza niatrika ny nahafatesan’ny zandriny tanaty menaka mangotraka satria mpivarotra mofo ny mamany. Mifanintona ilay zaza isaky ny mitsingerina ny taona nahafaty ny zandriny. Raha tsy nampiana hanakatona tanteraka izay pejy izay izany izy dia tsy nijanona. Tsy nitondra irery ilay fahoriana intsony izy fa afaka nozarainy taman’olona ilay hoe entan-jarai-mora zaka. Nijanona hatreo ilay fanintona. Hanokatra toerana hampitàna io Joroterapia io amin’izay rehetra liana moa ny tena. Ny tsirairay ihany tsinona no afaka manova ny fiainany. Karazam-pahalalàna mitambatra no ahafahana manao ny Joroterapia. Tafiditra ao na psikolojia na matematika na inona. Ny niaingàn’ilay fiteny dia hoe mila miverina mijoro isika rehefa avy lavo saingy rehefa tena dinihina dia haintsika koa ny mamadika pejy satria nisy ny teo aloha dia tokony hisy koa ny vaovao. Rehefa hanambady isika dia maka toerana iray, vavolombelona, daty iray. Izay foana no mamaritra ny fiainan’olombelona, izany hoe, tsy mba miova ny tantara fa ny fomba iainana azy no azo ovaina. Lasa anatra azo zaraina ho an’ny rehetra ny tantara rehefa miova tsy toy ny taloha intsony ny fihetseham-po iainana azy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Namonjy ny volany 100 000Ar, kinanjo natelin’ny rano i Dety