Dr Marius Ramaroson, manoloana ny fiparitahana aretina eny amin’ny fiarahamonina ankehitriny. “Virus” nampalemy, ohatra, izao taloha, hoy izy, ny poliomelita. Misy ilay ataon-drizareo hoe “syndrome de guillain-barré” izay. Mamely ny tsokan-damosina dia mampalemy ny tapany ambany izay. Mila fantarina ny tohiny satria ny gripa mijanona eo amin’ny taovam-pisefoana fa tsy tonga amin’izay. Mampalemy hozatra ny “virus”. Raha mandalo fotsiny ilay tranga fa tsy maharitra nefa dia mety resaka rarintsaina na zavatra ohatran’izany. Izany hoe izay ilay antsoina hoe “contracture musculaire”. Ny aretim-bavony indray raha hoe betsaka izy izao dia misy karazany 2 toy izay ihany. Misy ilay aretim-bavony masaka. Izany hoe menamena ilay hoditra ao na maratra mihitsy. Ny fisehony dia samy maratra iny lalan-kanina iny ary mila fanafody izay. Ny fanaovana azy moa dia misy fitaovana na “tube” alefa any amin’ny lalan-kanina hijerena hoe masaka sa maratra ilay izy. Na ilay masaka na maratra dia mety samy vavony nihetsika noho ny rarintsaina. Tsy afaka lavintsika fa mandalo rarintsaina na “stress” daholo izao ny olona. Ny dikan’izay dia tsara ny tsy mihinana zavatra mety mamely vavony intsony. Ohatra amin’izany ny misy “gaz” na mamay be loatra na masiaka. Ny alikaola fa indrindra ny sigara. Toy izany koa ny kafe. Zava-dehibe ny fanatonana mpitsabo rehefa marary vavony, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Simba ny fitaovana, mihena ny angovo, ela vao feno ny vatoaratra, potika ny fihariana.
Zava-doza tsy roa aman-tany no nataon’ny lehilahy iray tany Toamasina izay nahasahy nandatsaka
Lasa fialam-bolin’ireo vahiny tonga tany amin’iny faritra andrefan’ny Nosy iny rehefa faran’ny herinandro tahaka izao ny mitifi-borona.
Teo am-pamaranana ny boky soratako mikasika ny tsiahin'ny taona fitopolo sy ny manodidina azy ary koa ny