tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Actualités

Durlin Retogniane “Tokony hitandrina amin’io werawera fotsiny io ny fitondrana ”

Nisarika ny sain’ny be sy ny maro ny fitsenana mpandray anjara tamina fifaninanana iray tany Morondava satria nanetsiketsehana olom-panjakana,

23-nov-2022

Sample post image

mpitandro filaminana, eny, hatramina minisitry ny fanatanjahantena sy ny tanora mihitsy, hoy ny mpanao politika, Durlin Retogniane. Tonga tany an-toerana mihitsy niaraka tamin’ny solombavambahoakan’I Morondava izany minisitra izany, hoy izy. Endrika tsy firaharahiana vahoaka amin’ny ankapobeny ny fahitanay ireny. Olona tokana nisolo tena ny faritra nandray anjara tamina “télé réalité” eto no resaka. Misy fifaninanana avoavo kokoa anefa, raha tsy hiresaka afa-tsy ny aty amin’ny ranomasimbe indianina isika. Eo koa ny aty amin’ny sehatra afrikanina ary ny manerana izao tontolo izao. Matetika misy atleta malagasy mandray anjara amin’ireny nefa tsy nakotrokotroka toy ireny ny fandraisana azy ireo. Atleta miisa 2 izao, raha tsy diso aho, teo amin’ny taranja Kick boxing no nibata fandresena ary nisolo tena iny faritr’I Menabe sy Morondava iny fa tsy nisy fitsenana toy ireny. Fa maninona ireo nanandratra avo ilay faritra no sady voalohany nefa tsy nakotrokotroka no nandraisana azy fa ilay nanao “télé réalité” izay sady tsy voalohany indray no noraisina toy ny filoham-pirenena mihitsy? Tsy sanatrian’ny vava fialonana satria hoe tanora ny tena fa hita hoe misy mizana tsindriana ila ao. Etsy ankilany, misy koa ireo olana ara-tsosialy izay mahazo ny tany sy firenena, indrindra, nahazo iny Menabe iny. Teo ny asan-dahalo, ny trafikana maso, ny delestazy, izay nampiaka-peo ny depioten’I Morondava mihitsy tamin’ireny. Nankaiza ny fitondram-panjakana hijery izany olana izany akaiky? Misarika ny sain’ny fitondram-panjakana izahay mba hijery akaiky ny tena olana mianjady amin’ny vahoaka satria misy fiantraikany amin’ny fihetsem-pon’ny vahoaka ny werawera fotsiny ka mety hahatonga fitrorana toy ireny niseho tany Marolambo ireny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Volamena 36kg very tao amin’ny minisitera Mpiasa 2 natao sorona, ny tambajotra tsy voakitika
02-juin-2023

Olona miisa roa no nohelolina 7 taona gadra an-tranomaizina sy asa an-terivozona miampy lamandy 10 miliara Ar avy

Card image cap
Fanefana trosabe amin’ny Tozzi Green Hampindram-bola ny Jirama ny Fanjakana
01-juin-2023

Noraisin'ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 31 mey 2023 ny didim-panjakana entina mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola eo amin'ny Minisiteran'ny sy ny Fitantanam-bola sy ny orinasa JIRAMA

Card image cap
Fanaovana taratasin-tany hosoka MD eny Antanimora i bebe sy ny ekipany
01-juin-2023

Tsy hanavahana sokajin-taona marina ny fitiavam-bola. Tsy hitsitsian’ny sasany aina sy voninahitra izany na

Card image cap
Sampana fanantenana Nampahafantatra ny voka-dratsy ateraky ny fifohana sigara
01-juin-2023

Ny aretin’ny homamiadana no voka-dratsy voalohany ateraky ny fifohana sigara eny anivon’ny fiaraha-monina na ho an’ny tanora izany na ho an’ny olon-dehibe.

Voir plus