airtel

Actualités

22-janv-2025

Efa nampoizina taorian’ny vidin-tsolika

Miverina mamaivay indray ny delestazy

Sample post image

Isaky ny misy fanapahan-kevitra mikasika ny tontolon’ny angovo sy akoran’afo raisin’izao

22-janv-2025

fitondram-panjakàna izao izany dia ampoizina tsy maintsy hiantraika amin’ny olan’ny herinaratra sy rano hatrany. Tsy hay aloha izay tena ifandraisany fa dia tombanana amin’ny lafiny fitsinjaram-bola sy fividianana ireo filàna isan-tsehatra hatrany izany. Tahaka ny hoe nampidinina iny ny vidin-tsolika dia any amin’ity sehatry ny herinaratra sy rano ity indray izany no manefa. Azo heverina ho efa nampoizina ihany satria dia ireny niaraha-nahita omaly ireny fa miverina mamaivay indray ny delestazy teto Antananarivo renivohitra. Niresaka moa ireo tomponandraiki-panjakàna ny faran’ny herinandro teo mikasika ny fitsinjaram-bola na fitantanam-bola tahaka ilay avy amin’ny tahirim-bola iraisampirenena na FEC izay mitentina 105 tapitrisa Dolara hoe hatramin’izay dia ny 100 tapitrisa Dolara tamin’izany no namatsiana ireo kaompanian-tsolika. Nambaran’ny minisitra fa efa azo lazaina ho nilamina ny amin’iny ny sabotsy teo ary isan’ny antony nahafahana nanitsy io vidin-tsolika ankehitriny io izany. Mipetraka anefa ankehitriny ny fanontaniana. Ahoana indray izany ny momba ity delestazy miverina mamaivay ity? Tena tsy misy ifandraisany amin’iny fanapahan-kevitra momba ny vidin-tsolika iny ve?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap
27-mai-2025

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

Card image cap
26-mai-2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

Card image cap