airtel

Actualités

27-avril-2026

ENAP Antetezambaro

Toamasina Nivoaka ny andiany FANILO

Sample post image

400 isa, tena mbola tsy ampy ny isa

27-avril-2026

Notanterahana ny zoma 24 aprily 2026 teo tao amin'ny ENAP (École Nationale d'Administration Pénitentiaires) ao Vohibendrana, Kaominina Antetezambaro Toamasina II ny lanonana ara-panjakana sy ara-miaramila namoahana, namoahana ireo agents d'administration pénitentiaires miisa 400 anatin'ny andiany Fanilo, izay nahavita fiofanana 12 volana. Nanokafana ny lanonana ny nampiakarana ho Inspecteur général d'administration pénitentiaire ny Tale Jeneralin'ny ENAP Razafintsalama Désiré. Andiany faha-16 teo anivon'ny ENAP ireo 400 nivoaka ka nampiakatra ho 2966 ireo nivoaka hatrizay. Raha mari-pahaizana BEPC no takiana, dia manana bakalorea avokoa ny 94% tamin'ireo vao nivoaka, ny 32% manana licence, ary 13% manana master II miakatra. Tsangam-bato napetraka tamin'ity fivoahan'ny andiany Fanilo izay iarahana amin'ireo zokiny mbola hivoaka atsy ho atsy ny "Parcours d'obstacles" izay fanazaran-tena ara-batana ho an'ireo mpiofana. "Fahaizana, fahamendrehana, hery sy tanjaka. Nozaraina mba hahafana miatrika ny asa aman-draharaha. Ny teto mety vita fa mbola mafy sy maro ny sedra sy mety Mino sy manantena fa tsy an-draraka ilo mby an-doha ianareo", hoy ny Tale Jeneralin'ny ENAP Inspecteur général d'administration pénitentiaire Razafintsalama Désiré. Navoitrany fa dingana iray lehibe anatin'ny Famerenana ny Fanjakana tan-dalana izao. Maro ny fanamby: fitandroana ny fandriampahaleman'ny fonja, paikady hoenti-manatanteraka ny famerenana ireo voafonja eny amin'ny fiarahamonina, ankoatra ny lafiny ara-batana, ka ny fiofanana teo amin'ny Sekoly no vita fa miandry ireo mpandraharahan'ny fonja vaovao ny andraikitra lehibe. "Tsikaritra fa misy izay mety tsy fahatombombanana tamin'ny rafi-pibaikoana, ka nametrahana fibaikoana iraisana miainga amin'ny DGAP. Isan'ny tena zava-dehibe ny fisorohana ny losotra. Efa ahitam-pahombiazana. Misy fanamby tsy maintsy hatrehana: fanavaozana sy fanatsarana", hoy ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fitsarana Atoa Randrianasolo Randrasana Sandro Ange. Ny ao Toamasina no nametrahana voalohany rafitra informatika hanarahana maso. Notsipihiny ny fanajana ny zon'olombelona. Tena feno ny fonja, ka nanaovany antso amin'ny Fitondrana foibe, mpiara-miombon'antoka ara-bola sy ara-teknika,... mba hanangana fonja vaovao. Ankoatra io, eto Madagasikara, latsaky ny 3000 no miantsoroka ireo toeram-pamonjana 93, misy voafonja manodidina ny 30000. Raha ny fenitra iraisam-pirenena, mpandraharahan'ny fonja iray misahana voafonja 4 saingy mbola misahana olona 10 mahery ho an'ny antsika eto Madagasikara, ka anaovan'ny eo anivon'ny fandraharahana ny fonja na ny mpitantana na ny sendika antso hisian'ny fijerena manokana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap
29-avril-2026

Nobatain'ireo mpino Silamo nivoaka ny sekoly Jery ny Filohan'ny FSM

Card image cap
29-avril-2026

Nanaovana hetsika manokana ny tany Maintirano

Card image cap
29-avril-2026

Adihevitra tato ho ato ny

Card image cap
29-avril-2026

Hampiharina amin’ity taona ity ny tetikasa «Rahaka»

Card image cap