Niafara tamin’ny fanendrena Filohan’ny Delegasionina manokana na PDS ny fitantanana ny kaominina ambonivohitr’i Toliara, taorian’ny fotoana naharitra voalaza fa tsy nahitana popoka ny ben’ny tanàna Rabehaja Jean, lany tamin’ny alalan’ny IRMAR. Notendrena ho PDS noho izany i SERGE VITAL, filoha lefitra RAZAHA TONDRAHA sy Elie Lamarre. Manohy ny asany kosa ny ben’ny tanàna lefitra Tsihoaia Ravelosoa sy Leda Tovonasy, raha ny tatitra. Tapaka ireo rehetra ireo tamin’ny fivoriana niarahana tamin'ny Mpanolon-tsaina Avo eo anivon’ny Fanavaozana ny Repoblika Zafitasondry Marcellin sy ireo tompon’andraikitra ara-panjakana sy sivily eto an-toerana io hariva io. Tsara ny manamarika, fa ny faramparan’ny volana desambra teo no efa nisy tatitra ara-panjakana nilaza fa voamarina ny tsy fisiana ben’ny tanàna ao amin’ny Kaominina Ambonivohitr’i Toliara. Nandritra ny fivoriana ara-potoana nataon’ny Filankevitra Monisipaly ao amin’ny Kaominina Urbaine Toliara, dia navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny fanapahan-kevitra manamarina ny fahabangana amin’ny toerana mahaben’ny tanàna an-dRabehaja Jean voafidy tamin’ny anaran’ny IRMAR, araka ny fanapahan-kevitra laharana faha-25/______/CMC/U/. Voarakitra tao anatin’io fa tsy hita nanatanteraka ny andraikiny nandritra ny enim-bolana mahery i Rabehaja Jean, ka niteraka fahabangana ara-dalàna amin’ny fitantanana ny Kaominina. Somary manaitra ihany hoe : nitsoa-pahana ve ny ben’ny tanàna IRMAR ? Antony ara-pahasalamana ? Tsindry politika ? Raha raisina amin’ilay fe-potoana enim-bolana mantsy dia mbola tany alohan’ny tolom-bahoaka ny volana septambra 2025 no efa tsy nandray ny asa maha ben’ny tanàna ny tenany. Hafahafa !
Toky R
Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona