airtel

Actualités

25-janv-2024

ENMG

Mpiofana ho mpitsara 100 nanao fianianana

Sample post image

Mpiofana ho mpitsara miisa 100 avy ao amin'ny Sekoly ambony manomana mpitsara

25-janv-2024

sy mpiraki-draharaha na ny ENMG no nanao ny fianianany tao amin'ny Fitsarana Tampony Anosy omaly 24 janoary 2024. Nanaraka fiofanana momba ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin'ny olon-tsotra na « filière judiciaire » ny 60; Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin'ny fanjakana na « filière administrative » ny 20, ary ny Fitsarana momba ny kaontim-bolam-panjakana na « filière financière » kosa ny 20. Taorian’ny fianianana omaly, hiana-draharaha ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany sy Fitsarana ambony ary Fitsarana tampony mandritra ny 9 volana izy ireo. Rehefa vita izay dia hiverina any amin’ny sekoly hanohy ny fampianarana fampiharana, mialoha ny handraisany ny asany any amin’ny toerana handefasan’ny fanjakana azy. 3 volana ny faharetan’izany ary vita izay rehetra izay vao hotendrena ho mpitsara izay mahazo ny salan’isa 10/20 farafahakeliny.
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap