iraka tsy maintsy ho efain’ireo miaramila mpiofana ao amin’ny Sekolim-pirenen’ny manamboninahitra lefitra na ny ENSOA Antsirabe, dia nohamafisina ny fahaiza-manaon’izy ireo, hoy ny fampitam-baovaon’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena ny andron’ny omaly. Ny taranja haiady tamin’ity indray mitoraka ity no sehatra nanampiana azy ireo amin’izany dingana izany. Ny 22 hatramin’ny 26 Janoary 2024 lasa teo no tonga nizara ny traikefany tamin’ireo mpiofana “BMP1” sy “CM1” ny vondron-kery manokana Hery Vonjy Taitra, na ny G.F.S.I “Groupement des Forces Spéciales d’Intervention”, notarihan’i Lietnà Kôlônely RAJAOFARA Delphin. Mbola hisy koa ny fampiofanana ireo mpiofana zokiny “BMP2” sy “CM2” amin’ny volana Febroary 2024 ho avy izao, hoy hatrany ny fampahafantarana. Isan’ny fanatsarana goavana ara-teknika entin’ny Komandin’ny ENSOA, ny Kôlônely RAZAFITOMBO Leva Naina izany sehatra vaovao hamelarana ny tontolon’ny fifehezana ny fiarovana izany satria tanjona ny hahamatihanina hatrany ny manamboninahitra lefitra malagasy eo amin’ny lafiny maro, hoy hatrany ny eo anivon’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena.
Toky R
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,
Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,
Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,
Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny
Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,
Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny