airtel

Actualités

06-oct-2025

Eveka mpanampy eto Antananarivo

« Efa mafy ny manjo ny vahoaka,

Sample post image

tsy rariny ny famonoana ireo tanora »

06-oct-2025

Nahasahy niatrika ny « force » ny Eveka mpanampy mpanampy eo anivon’ny Diosezin’Antananarivo Mgr Andrianifahanana Mamiarisoa Modeste ny sabotsy teso. Nampiaka-peo manonoloana ny famonoana sy habibiana mahazo ireo tanora tanam-polo maneho hevitra sy fihetsiketsehana. « Efa mafy anie ny manjo ny vahoaka, ianareo ve dia tsy vahoaka e ! Ianareo ve dia tsy afaka ny hiaro tena ! Izaho mopera vonoina raha hamono ianareo » hoy ity Raiamandreny am-panahy ity nanoloana an’i Kolonely Tojo Raoilijon sy ny ekipany. Niezaka niaro tena moa ny andaniny izay nilaza fa manakorontana sy mampiasa asidra ireo tanora, ka mbola naverin’ity Raiamandreny ity indray ihany koa ilay hoe : « efa mafy ny manjo ny vahoaka, dia arovy ny tenanareo, fa miaramila ianareo. Na inona na inona ny ataon’ireo olona tanam-polo ireo dia arovy ny tenanareo fa aza darodarohana ohatr’izao ». « Aza vonoina izy fa rehefa ato dia miala tsotra fotsiny », hoy ihany koa ny Relijiozy iray. Nanamafy ity eveka mpanampy ity sy ireo namany, fa « tsy manana na inona na inona iarovany ny tenany ireo tanora, hanambarany ny fahoriany izao. ». « Vokatry ny nataonareo izao, tsy avelanareo maneho hevitra ny tanora, vokatry ny ataonareo izao. Ianareo ve dia miaro tena amin’ny herisetra amin’ny vahoaka tsy manana atao intsony. Alaivo dia sambory fa aza hanaovana herisetra. », hoy hatrany ireo Raiamandreny am-panahy sahy niatrika an’ireo « forces » fa tsy mety sy tsy rariny ny famonoana ireo tanora. Olobe manana ny toerany eo anivon’ny katolika no miteny sy mijoro manoloana ny tsy rariny. Asa raha mba mahataitra an’ingahy Andry Rajoelina izay iaingan’ny baiko sy mampiasa volabe hiarovany ny sezany ka maniraka ireo «forces » hamono vahoaka ny zavatra tahaka izao ? Tsy misy tsy mampiaka-peo na mpahay lalàna, na mpitsabo, na mpitondra fivavahana, na mpiasam-panjakana samihafa,… eo anatrehan’ny habibiana ataon’ny Fitondrana Rajoelina. Asa mandra-pahoviana no hahomby ity habibiana ao anaty krizy ity ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-avril-2026

intsony mitantana ny tanàna

Card image cap
28-avril-2026

Any amin'ny 900km no mitondra hataina eto Iarivo

Card image cap
28-avril-2026

Miantso ny rehetra ho sarotiny amin’ny vakoka sy harem-pirenena

Card image cap
28-avril-2026

Hojerena ny fahasalaman’i Mirana, hianatra asa

Card image cap
27-avril-2026

Mbola tsy niasa dia potika, mampiahiahy ny kalitao na teo aza ny rivodoza

Card image cap
27-avril-2026

12 lahy voasambotra tany Soanierana Ivongo

Card image cap