airtel

Actualités

28-avril-2026

NITONDRA TAKAITRA

TAMIN'NY TOLONA

Sample post image

Hojerena ny fahasalaman’i Mirana, hianatra asa

28-avril-2026

eo anivon'ny Ministeran'ny Mponina
Hojerena manokana ny fahasalaman'i Mirana ilay tovovavy kely nitondra takaitra vokatry ny fipoahan’ny baomba mandatsa-dranomaso tao amin’ny fitombenany teny Ambondrona nandritra ny tolona tamin’ny 25 Septambra taona 2025. Ankoatra izay dia hianatra asa eo anivon'ny Ministeran'ny Mponina ihany koa izy miankina amin'ny lalam-piofanana noratovony no sady hotohanana mba hahafahany manohy ny fianarany. Taona fahatelo izy izao. Tonga eto an-tanindrazana i Mirana rehefa avy nitsabo tena tatsy amin'ny Nosy rahavavy La Réunion nandritra ny 7 volana. Raha tsiahivina kely dia tsy afaka nitsangana izy fa dia nihohoka foana teo ambony fandriana nandritra izany. Ankehitriny efa mihatsara ny fahasalamany saingy mbola mila manohy fitsaboana izay tsy vita tany ivelany ny tovovavy. Tsy ampy intsony mantsy ny ho enti-manana teo am-pelatanany sy ny fianakaviany. Noraisin’ny Minisitry ny mponina sy ny firaisankina Ramatoa Rakotoniaina Voahanginirina Cathia avy hatrany ity tovovavy kely ity mba hahafahana mijery ny ho aviny.
Pati
Légende : Ny Ministry ny mponina sy i Mirana !
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Amperin'asa ny Delegasiona

Card image cap
07-août-2026

amin'ny ady amin'ny kolikoly

Card image cap
07-août-2026

Misokatra ny làlana ho an’i Madagasikara sy Afrika Atsimo

Card image cap
07-août-2026

Hojerena ny fomba hampandehanana azy

Card image cap
06-août-2026

Lafin-javatra iray heverina fa manahirana na

Card image cap