airtel

Actualités

27-avril-2026

Fonjabe ao Toamasina

nandaniana miliara maro

Sample post image

Mbola tsy niasa dia potika, mampiahiahy ny kalitao na teo aza ny rivodoza

27-avril-2026

Potika ny Fonjabe manara-penitra na ny « Maison de haute sécurité de Toamasina » ao Fanandrana Toamasina II. Voalaza fa efa nisy ny fanolorana vonjimaika saingy mbola misy asa tsy vita, mbola tsy misy rano,... tsy nampiasaina dia efa rava. Fonja neritrereritina hampidirana voafonja miisa 315 eo amin’ity taona ity, saingy izao sahady dia potika. Hatramin’ny « groupe électrogène » hamatsiana herinaratra tototra sy simba. Fotodrafitrasa namoahana volam-panjakana amina miliara maro, kanefa ravarava fahatany. Teo ny mety tanjaky ny rivodoza, saingy ahiana ny petatoko tahaka ny nitranga tany amin’ireo fotodrafitrasa nolazaina fa manara-penitra. Ny zavatra hita tany ifotony, dia misy béton tena matevina kanefa vy toa diso madinika no ampiasaina aminy, hany ka nirodana sy potika niaraka tamin’ireo biriky parpaing. Niantso ny Fitondram-panjakana mahefa hisian'ny fanarenana haingana ny Sendikan'ny mpandraharahan'ny fonja na ny SPAPM notarihin'ny Sekretera Jeneraliny Atoa Mohamed Razafiberison sy ny Filoha lefitra Atoa José Thierry, mba tsy ho verivery fotsiny ny volam-panjakana. « Lazaina fa fonjabe manara-penitra, araka ny filazan’ny Fitondram-panjakana teo aloha, kanefa tena tsy arak’izay fa tena potika. Fahapotehana tsy kely fa tena goavana, ka angatahana amin’ny fitondram-panjakana hijery maso na hanao fitsirihana na « audit » aza raha azo atao hoe : tena manara-penitra araka ny tokony ho izy tokoa ve ? Zavatra natao petatoko raha ny fahitana azy satria raha nisy ny fahavoazana tokony ho kely, fa tsy ohatran’io », hoy ny Sekretera Jeneralin’ny SPAPM. Raha sanatria efa nisy gadra dia maty, na tafatsoaka ny gadra ary nihatra aman’aina tamin’ny mpandraharahan’ny fonja, ka isorohana ny zavatra tahaka izao dia tokony jerena akaiky ireny orinasa misahana asa fanamboarana fotodrafitrasam-panjakana tahaka izao satria tena very fotsiny ny volam-panjakana, tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy, hoy hatrany Atoa Mohamed Razafiberison. Ny orinasa M....c ana mpandraharaha isan’ny nahazo tsenambaro-panjakana tamin’ny fitondrana teo aloha moa no voalaza fa nanao ny asa. « Prison de haute securité de Toamasina, toeram-pamonjana natokana handraisana ireo voafonja mampidi-doza, ka mamporisika ny fitondram-panjakana ny hanafainganana ny fanarenana azy satria tena mitombo ny asan-jiolahy, mitombo ny setrasetra eny fa tonga hatramin’ny fikasana hanongam-panjakana sy ny mitovitovy amin’izay. Miantso ny fitondram-panjakana mba tsy hijery fotsiny ny fahasimbana, izay tsy mifanaraka amin’ny toe-draharaha mafampana eto amin’ny Firenena », hoy kosa ny Filoha lefitry ny SPAPM Atoa José Thierry.
Toky R

Dans la même rubrique

28-avril-2026

intsony mitantana ny tanàna

Card image cap
28-avril-2026

Any amin'ny 900km no mitondra hataina eto Iarivo

Card image cap
28-avril-2026

Miantso ny rehetra ho sarotiny amin’ny vakoka sy harem-pirenena

Card image cap
28-avril-2026

Hojerena ny fahasalaman’i Mirana, hianatra asa

Card image cap
27-avril-2026

12 lahy voasambotra tany Soanierana Ivongo

Card image cap
27-avril-2026

Mila mifoha isika, hoy ny

Card image cap