airtel

Actualités

27-avril-2026

Mpitrandraka harena

an-kibon'ny tany an-tsokosoko

Sample post image

12 lahy voasambotra tany Soanierana Ivongo

27-avril-2026

Ripak'ireo mpitrandraka harena an-kibon'ny tany an-tsokosoko ny alan’i Ambalanirana - Fokontany Tanandava – Kaominina Manompana – Distrikan’i Soanierana Ivongo. Efa nanaovana hetsika nifarimbonan'ny Fitaleavam-paritra ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy Analanjirofo, niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana nahitana ny Vondron-tafika ao Vavatenina, Zandarimariam-pirenena, ny Polisim-pirenena, ary ireo vondron’olona ifotony mpitantana ny ala : VOI Mahasoa, VOI Tanandava, namoahana azy ireo tao anaty faritra arovana saingy nisy ireo mbola ninia niverina. Voasambotra ny 12 tamin'ireo mbola ninia niverina sady namotika ala sy ny rohivoary ao aminy taorian’ny fandroahana azy ireo. Hatolotra ny Fitsarana ireto olona ireto ary tsy maintsy iharan’ny sazy mifandraika amin’ny fandikan-dalàna nataony. Narahana fanentanana ireo mponina manodidina ny ala ity hetsika ity, nampatsiahivana azy ireo fa raran’ny lalàna ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ao anaty faritra arovana.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Amperin'asa ny Delegasiona

Card image cap
07-août-2026

amin'ny ady amin'ny kolikoly

Card image cap
07-août-2026

Misokatra ny làlana ho an’i Madagasikara sy Afrika Atsimo

Card image cap
07-août-2026

Hojerena ny fomba hampandehanana azy

Card image cap
06-août-2026

Lafin-javatra iray heverina fa manahirana na

Card image cap