airtel

Actualités

24-janv-2024

Fadin-tseranana

Hanafaingana ny asa ny « smart scanning »

Sample post image

I Toamasina no voafidy hankalazana ny Andro iraisam-pirenena

24-janv-2024

ho an’ny Fadin-tseranana na ny Journée internationale de la douane (JID) amin’ity taona 2024 ity. Rahampitso Alakamisy 25 sy afaka rahampitso Zoma 26 janoary no hanamarihana izany ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, hanasana tompon’andraikitra maro. Hiompana amin’ny fanomezan-danja ny mpiray ombon’antoka amin’ny fanatrarana ny tanjona iombonana ny lohahevitra entina mankalaza ny JID amin’ity taona ity. Hanome mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiray ombon’antoka aminy ny Fadin-tseranana mandritra izany fankalazana izany ho famporisihina azy ireo hanao ny tsara kokoa hatrany. Hotokanana amin’io andro io ihany koa ny fitaovana fitiliana manara-penitra vaovao vokatry ny tetik’asa « Smart Scanning » amin’ny alalan’ny teknolojia avo lenta, izay fanatsarana ny asa eo anivon’ny fadin-tseranana, mampihena be ny fotoana lany, ao anatin’ny 3 andro eo dia milamina, tombony ho an’ny mpandraharaha mpanafatra satria mihena ny fotoana, mihena ny vola aloa,... raha ny fanazavana ara-teknikan’ny Fadin-tseranana tamin’ny alalan’ny Tale Jeneraliny Atoa Lainkana Zafivanonana Ernest. Natao hiadiavana amin’ny trafika sesilany ihany koa io satria eny amin’ny fadin-tseranana no handehan’ny trafika avo lenta samihafa.
Pati

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap