airtel

Actualités

12-avril-2023

Actualités

Faha 25 taonan’ny Radio Feon’Imerina Hiaka-tsehatra ireo mpanakanto zokiny indrindra

Sample post image

Hisokatra ny alahady 16 aprily 2023 amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny CC Esca Antanimena, ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny Radio Feon’ Imerina.

12-avril-2023

Ny taona 1998 no nandeha voalohany ity onjapeo ity, hoy ny fampahatsiahivana ny tantara. Rindrakira goavana sy miavaka no hanombohana ny fankalazana, hoy ny fanazavana. Ireo mpanankanto zokiny indrindra no hiaka-tsehatra, Isany i Fidimalala sy ny Angolan’Imerina, Abel Ratsimba, Salomon sy Lizah Raseta, Tovo Andrianandraina, Razedra sy Ralanto, J. Andriamanantena, Mamy Rakotoarimalala sy ny Gasy Miangola, Tarika Jean Luce sy Lala, Narisoa, Ny Alondrano, Noely sy ny Sakelidalana ary ireo mpanankanto tanora ahitana an’i Faniry Raelison hihira ny sangan’asan’ny raibeny dia i Rolland Raelison sy Andriampaniry mianadahy, izay niavaka ny fandraisan’izy ireo anjara tamin’ny fankalazana ny faha 90 taonan’i Gabhy. Hanentana ny fampisehoana i Tiana Ratovondriaka sy Moreno Nicole ary Ndrema, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap