airtel

Actualités

27-nov-2023

Faha-5 taonan’ny

Firaisankinan’Ambodimita Mikabary

Sample post image

Nanolotra fanampiana ny depiote Todisoa

27-nov-2023

Lanom-be ny teny amin’ny boriborintany faha-6 eto Antananarivo ny faran’ny herinandro teo. Nankalaza omaly 26 novambra mantsy ny faha-5 taonany mantsy ny Firaisankinan’Ambodimita Mikabary, ka nisy ny hetsika lehibe nentina nanamarihana izany, nanehoan’ny rehetra ny hafaliany, ka tena nitotorebika ara-bakiteny ny rehetra. Manamafy hatrany ny fanohanany ny mpisehatra ara-kolontsaina ao anatin’ny faritra iadidiany ny depiote Todisoa Andriampandry, izay mpiahy azy ireo. Ireo mpisehatra amin’ny kabary eny Ambohimanarina sy Antehiroka no nisitraka izany omaly alahady 26 novambra 2023, ka nanamarihana izany, dia nanolotra « Bampap » mpitsoka mozika ho azy ireo sy fanampiana ara-bola ho fampandehanana ny asan'ny fikambanana ny Depiote Todisoa Andriampandry, ho fanehoana fanohanana sy fanampiana azy ireo mba hiroboroboany eo amin’ny sehatra misy azy. Misy rahateo ny fanofanana sy fampianarana kabary eny an-toerana mba hampivelarana ny mponina sy hanandratana ny kolontsaina Malagasy. Nanamarika ny omaly ihany koa ny famoahana ny andiany « Fenohasina », izay nianatra sy nandalina kabary, ka nirary soa sy fahombiazana ho an'ireo mpianatra nivoaka izay fitaratra ho an’ ny fiarahamonina ity olom-boafidy ity. Ny tenany izay maneho hatrany an’ilay hoe : « Andrianiko ny teniko, ny hafa koa feheziko », izay toa mandravona izao fanohanany hatrany ny mpikambary efa an-taonany maro, ary eo ihany koa ny fampianarana teny vahiny tahaka ny teny anglisy, izay vao avy namoaka andiana mpianatra an-jatony latsaka kely vao tsy ela.
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap