Nasaina manokana ireo Bekotromaroholatra sisa nanamborana nandritra ny fotoam-panokafana, ka nisy ny fizaham-pahasalamana natao tamin'izy ireo. Teo ihany koa ny fampirantiana mahakasika ny tolona izay natao ka tsy hifarana izany raha tsy amin'ny 28 martsa 2023. Tara-kevitra nosafidina entina manamarika ny faha 76 taon'ity tolom-panafahana ity ny hoe "Tolom-panafahana, Firaisan-kina ho an'ny Fitiavan-tanindrazana". Isan’ny adihevitra moa ankehitriny ny hoe : inona no mason-tsivana ahafahana milaza fa bekotromaroholatra ny olona iray ? Tsy voatery ireo olona nandray fitaovam-piadiana ihany fa ireo niharam-boina, ireo zanaky ny mpitolona sy ireo misionera tamin'izany no voasokajy ho mpiady tia tanindrazana, hoy ny fanazavan’ny talen'ny mpiady tia tanindrazana eo anivon'ny minisiteran'ny fiarovam-pirenena, Kolonely Randrianantenaina Emilson io omaly io. Nomarihiny fa mbola mahatratra aman-jatony ireo mpiady tia tanindrazana mbola velona izay sahanin'ny fitaleavan'ny mpiady tia tanindrazana eo anivon'ny minisiteran'ny fiarovam-pirenena. Io rantsana io no manome ny zo rehetra tokony ho sitrahan'izy ireo, toy ny fanomezana "pension viagères ", ny fanonerana ny vola lanin'izy ireo amin'ny fitsaboana, ny fanatsarana sy fitandroana ny endrik'ireo fotodrafitrasa mifandraika amin'ny hetsi-panafahana. Ankoatra ny etsy Anosy dia misy ny trano fampiratiana azo tsidihana maimaimpoana manomboka amin'ny 8ora hatramin'ny 4ora eo anivon'ny fitaleavana misahana ny mpiady tia tanindrazana etsy andohan'Analakeky, raha ny fampahafantarana hatrany.
Toky R
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny
Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,
Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.
Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.
Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto