saingy isan’ny sakana hatrany ny fampiharana ny fanenjehana sy ny sazy. Betsaka ireo manam-pahefana voasaringotra amin’ny kolikoly avo lenta kanefa toa betsaka ireo sakana tsy hahafaha-manenjika azy ireny. « Hisy ny atrikasa manokana hiresahana ny sakana mikasika ny famaizana amin’ny raharaha kolikoly. Hitantsika tao anatin’ny 20 taona hoe : tonga hatraiza ny famaizana amin’ny ady amin’ny kolikoly ? Inona no sakana ? Raha nametraka ny paikadim-pirenena 2015 dia nametraka ireo rafitra : Bianco, nametraka ny PAC (Pole Anti-Corruption) izay noheverina fa ambaratonga voalohany sy ambaratonga faharoa na « 1ere degré» sy « 2eme degré » dia ho ampy », hoy ny Filohan’ny Komity misahana ny fahintsiana na ny CSI Rtoa Sahondra Rabenarivo omaly. Ny hitantsika anefa, dia tonga hatrany amin’ny « 3eme degré » na « Cour suprême » na HCJ (Haute Cour de Justice) na Fitsarana manokana mandray ny manam-pahefana ambony. Horesahana amin’ny fomba misokatra eo anivon’ny Antenimierampirenena noho izany ny zava-misy toy ny resaka fahafahana manenjika na « mise en acquisition » eo anivon’ny HCJ, raha ny nambaran’ny Filohan’ny CSI hatrany nandritra ny atrik’asam-paritra fakan-kevitra momba ny paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly. Isan’ny voafaritry ny lalàna moa ny tsy fahafaha-manenjika ireo tompon’andraikitra ambony toy ny Filoham-pirenena teo aloha na am-perin’asa, Filohana andrim-panjakana, mpikamban’ny governemanta,… eny anivon’ny HCJ raha tsy mahazo fankatoavan’ny depiote maro an’isa eo anivon’ny antenimierampirenena. Isan’ny efa nitondra fanamarihana mikasika an’io ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC Atoa Florent Rakotoarisoa ny volana janoary 2024, fa isan’ny mampandringa ny ady amin’ny kolikoly io.
Toky R
Ny valan-javaboarin’i Tsimbazaza dia tsy toeram-pialan-tsasatra tsotra,
Toe-javatra mety mitranga ny tsy fitovian- kevitra eo amin’ny ray sy ny reny momba ny fitaizana ny zaza,
800 hatramin’ny 1600 taonina isan’andro ny fakon’Antananarivo izay isan’ny tena
800 hatramin’ny 1600 taonina isan’andro ny fakon’Antananarivo izay isan’ny tena
Nifarana ny kilalao tamina fahitalavitra tsy miankina iray, izay ana loholona iray eto Madagasikara
Ny 47%-n’ireo ankizy latsaky ny 18 taona eto amintsika no efa miditra eo amin’ny sehatry ny asa.