airtel

Actualités

25-avril-2022

Actualités

Fahafatesana mpiraki-draharahan’ny fitsarana Velon’ahiahy ny fianakaviam-badin’Itompokolahy

Sample post image

Manoloana ny vaovao iniana aely amin’ny tambazotran-tserasera sy ny gazety mpiseho isan’andro ny alakamisy 21 aprily 2022,

25-avril-2022

izay nilaza fa vadiny ihany sy ireo mpiasany no namono nahafaty ny mpiraki-draharahan’ny tribonaly na TPI tany Analalava, ny Maître Issa Ben Alidy, ary tamin’ny fomba feno habibiana dia nitondra ny fanazavany kosa ny fianakavian’ny ankilany mba hanitsiana ny mety ho fiheveran-diso ateraky ny feon-dakolosy tokana, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Tianay, hoy ny fanazavana, ny hampahafantatra fohifohy ny zava-nitranga ny marainan’ny sabotsy 16 aprily 2022 teo amin’ny 6 ora maraina rehefa nahita azy nitsirara teo amin’ny simenitra na “ciment” akaikin’ny toeram-pivoahana tao amin’ny efitrano na “chambre” N°5. Manana Bungalow sy “gargotte” atao hoe “Relax” amoron-dranomasina izy mivady ireo. Ny vadiny raha nidina avy any amin’ny efitrano fatorian’izy mivady dia niantso an’i « Brada » (“Chef cuisinier” ao amin’ny “RELAX” nandritry ny taona maro) izay natory tao amin’ny efitra ambadika. Rehefa nahita azy toa tsy nahatsiaro tena izy ireo dia niantso ny zanany vavy mivady, izay marihina fa mpitsabo nify ao Analalava ny vadin’io zanany vavy io sy andriamatoa Assimo izay zanaky ny iraitampoho na “cousin” an’i Maître Issa, izay lasibatr’ity voina ity. Mbola nantsoin’I “Brada” tamin’ny finday koa andriamatoa Jimmy, izay tompon-tranon’ny zanany vavy. Nanapa-kevitra ny rehetra fa hiakatra eny amin’ny hopitaliben’ Analalava ka fiaran’ny zandarimariam-pirenena nanao iraka tao Analalava izay nivahiny tao amin’ny hotely Malibu no niangaviana nitondra azy. Tsy misy “taxi ville” na “Ambulance” any Analalava. Rehefa tonga tany amin’ny hopitaly dia nojeren’ny mpitsabo izy ary hita fa efa maty. Ilay mpitsabo tao mihitsy no nilaza (fa tsy ny vadiny akory) hoe “AVC” no nahafaty ilay olona satria efa taizan’ity aretina ity sy tokony hihinam-panafody isan’andro ny Maître Issa nefa mbola nanao Ramadan. Ny nahagaga dia mbola io dokotera io koa no nanambara ny alatsinainy rehefa niverina nijery ny razana fa “vono” no nahafaty azy satria nahita ratra sy mangana tamin’ny faritra maromaro tamin’ny vatan’ny maty izy. Araka ny fomba Silamo dia ny andro nahafatesany ihany no tokony alevina ny razana fa io vadiny io ihany no niangavy fatratra mba hiandrasana ireo zanany sy ny fianakavian’Itompokolahy izay vao alevina izy. Nanaiky ireo mpino silamo tao an-toerana. Raha izy izany no nahavanon-doza dia tsy tokony ho maika ve izy ny handevina mba hanafenana ireo porofo? Tsy nisy ady mihitsy tao raha ny fanazavana nataon’ireo ankizy niara-nipetraka sy matory amin’ny efitrano ambadika misy azy ireo. Talohan’ny fampandroana ny razana no nanaovan’ilay “cousin” samirery ny “formol” izay izy vao niantso ireo mpino Silamo hafa hanohy ny fikarakarana ny razana ary teo izy ireo vao nilaza fa nisy ratra maro be ny razana. Velona ahiahy ny havan’ny vadin’i Maître Issa ka nametraka fanontaniana hoe maninona no efa tamin’ny andron’ny alatsinainy handeha handevina vao nampiantso polisy sy mpitsabo hijery indray mandeha ny razana fa tsy ny sabotsy nahafatesany ary nikarakaran’izy ireo azy? Ny ahiahinay fianakavian’ny vadin’Itompokolahy sy ny fokonolona dia zavatra niniana natao ireo ratra ireo nandritra ny fotoana nidiran’andriamatoa Assimo samy irery tao amin’ny toerana misy ny razana mba hanalam-baraka sy hamotehana tanteraka ny vadin’Itompokolahy. Matoky tanteraka ny fahendrena sy fahaleovantenan’ny fitsarana anefa izahay, hoy hatrany ny fianakavian’ny vadin’ity niharam-boina ity.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap