ary nalefan’ny mpampiasa azy taksibrosy nankany Manazary Mianarinarivo Itasy afak’omaly 04 janoary ny fatiny. Nanome baiko ny hanokafana fanadihadiana eny amin'ny hopitalin'Anosiala, ahafantarana ny tena anton'ny fahafatesana ny mpampanoa lalàna ao Miarinarivo. Tsy azo atao ny fandevenana raha tsy mivoaka ny valin'io fanadihadiana io. Mifamahofaho tanteraka moa ity raharaha ity satria voalaza araka ny tatitra sy fitantarana avy any an-toerana dia niantso ny mpiampiasa azy hoe: tsenao ny zanakareo fa hody ary tsy mahita lalana, kinanjo faty no tonga tonga tao an-tànana, hany ka lasa very saina tanteraka ilay reniny. An-kilany ny vaovao hafa dia milaza fa raha ny fanazavan’ny mpampisa dia sempotra ilay ankizivavy ary niantso ny Reniny fa hoe marary ny zanakareo fa alefa hody. Voalaza anefa araka ny fitanterana fa niteny ny reniny hoe: aleo izy ho any ihany mba hitady vola, kinanjo io namoy ny ainy io. Ny 16 desambra 2022 moa no voalaza fa nanomboka niasa tamin’ny tokantrano iray Ambohibao ilay tovovavy, ny 2 janoary 2023 no voalaza fa nitaraina narary ary namoy ny ainy omaly 4 Janoary 2023 tao amin’ny Hopitaly Anosiala. Voalaza fa tsy nisy taratasy nitondrana ny razan'ilay tovovavy kely fa karinem-pahasalamana manamarina ny fizaham-pahasalamana natao sy nilazana fa tratry ny ACR na "arrêt cardio respiratoire" no nitondrana izany tany Miarinarivo. Omaly, notazonin’ny zandary any Miarinarivo natao famotorana ireo mpivady mpampiasa an'ilay zaza tsy ampy taona nodimandry sy ny mpamilin'ilay fiara taksibrosy nofaina manokana hitondra ny razana. Andrasana ny tohiny satria efa eo am-pelantanan’ny fitsarana ny raharaha.
TSY AZO ATAO NY MAMPIASA ZAZA TSY AMPY TAONA
Voararan’ny lalàna eto Madagasikara ny fampiasana zaza tsy ampy taona, izany hoe latsaky ny 18 taona.Ary raha ny tokony ho izy rehefa feno 21 taona vao afaka manao fifanarahana arak’asa ny olona iray.Tena maro be anefa ny zaza tsy ampy taona miasa, indrindra ny manao mpanampy ka ny fomba firesaka dia hoe ankizy tezaina. Ary misy mihitsy ireo ray amandreny sahiran anay ambanivohitra no mitady tokantrano handefasana ny zanany hiasa. Mizaka ny tsy eran’ny ainy ireny ankizy, mbola tokony hianatra kanefa miasa ireny ; mety tsy mifanaraka amin’ny zakan’ny vatany ny asa ataony. Mitranga ny loza avy eo, ka hiandry ankizy firy maratra, mitondra takaitra na maty vao handray fepetra hentitra ny fanjakana ?
Nangonin’i Toky R
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,
Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,
Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,
Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny
Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,
Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny