airtel

Actualités

13-janv-2023

Actualités

Fahafatesan’ilay zazavavy 15 taona Mpampiasa iray sy mpamily iray nidoboka am-ponja

Sample post image

Naiditra am-ponja vonjimaika ilay rangahy nipetrahan'ilay tovovavikely 15 taona avy any Manazary Miarinarivo Itasy sy ny mpamilin'ny fiara nitondrana ny vatana mangatsiakany, araka ny vaovao avy any an-toerana.

13-janv-2023

Raha hiverenana, niteraka resabe tany an-toerana ny fahafatesan’ity tovovavy ity, izay ny vatana mangatsiakany sisa naterina tany amin’ny fianakaviany. Tao anaty fanadihadiana no nahalalana fa tsy hiasa no nandefasana azy teto Antananarivo fa hipetraka amina olona noho ny fahasahiranan’ny reniny, hoy ny tatitra. Nambaran’ireo olona nipetrahany fa nilaza ho tsy tamana foana anefa i Hianja ary ny 03 janoary teo izy no nitaraina fa narary an-doha ka nantsoina ny reniny mba ahafahana mampody azy any Manazary. Ny marainan’ny 04 janoary, tsy nahatsiaro tena tampoka izy ka nentina tany amin’ny mpitsabo ary ity farany indray no nandefa azy teny amin’ny Hopitaly Anosiala Ambohidratrimo. Voalaza fa nandritra izany, dia efa nantsoina ny reniny hiakatra teto Antanananarivo kanjo efa tsy tana intsony ny ain’ilay zaza. ACR na “Arrêt cardio-respiratoire” no voarakitra ho nahafaty azy. Ireo mpivady izay nipetrahan’i Hianja ireo ihany no voalaza fa nanatitra ny razana tany Manazary tamin’ny 04 janoary 2023.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Simba ny fitaovana, mihena ny angovo, ela vao feno ny vatoaratra, potika ny fihariana.

Card image cap
02-oct-2023

Zava-doza tsy roa aman-tany no nataon’ny lehilahy iray tany Toamasina izay nahasahy nandatsaka

Card image cap
02-oct-2023

Lasa fialam-bolin’ireo vahiny tonga tany amin’iny faritra andrefan’ny Nosy iny rehefa faran’ny herinandro tahaka izao ny mitifi-borona.

Card image cap
28-sept-2023

Teo am-pamaranana ny boky soratako mikasika ny tsiahin'ny taona fitopolo sy ny manodidina azy ary koa ny

Card image cap