Raha tsiahivina kely anefa dia mihabetsaka ireo olona mamono tena sy tratry ny fahaketrahana ara-tsaina diso tafahoatra na « dépression » amin’izao vokatry ny fahasahiranana sy ny hasarotan’ny fiainana. Mbola manaporofo hatrany izany ny tsy fananantsika ny antontan’isan’ireo olona tratry ny fikorontanana ara-tsaina manerana ny Nosy toy ireo lasibatry ny fahaketrahana ara-tsaina, ny rarin-tsaina ary ny hakiviana ara-tsaina hoy hatrany ity psykology ity. Ho an’ireo efa tena marary dia tsy manana afa-tsy CHU roa mandray an-tanana izany isika eto Madagasikara dia ny ao amin’ny CHU Anjanamasina Antananarivo sy ny CHU Androva any Mahajanga. Ankoatra izay dia mbola tsy ampy ihany koa ireo mpiasa mikarakara ny fahasalaman’ny saina no sady mivangongo an-tanàn-dehibe ny ankamaroan’izy ireo. Tsy ho antsika eto Madagasikara irery ihany anefa io tranga io. Ny 75%-n’ireo olona mikorontan-tsaina maneran-tany mantsy no tsy afaka misitraka fandraisana an-tanana raha mahatratra 800.000 isan-taona kosa ireo olona mamono tena maneran-tany. Na izany aza moa dia nomarihin’ity psykology iray ity fa azo sorohana tsara ny fikorontanana ara-tsaina mahazo ny olona iray. Ezahina ny manomboka ny tontolo andro amin’ny zavatra mahafinaritra. Ilaina ihany koa ny fialam-boly sy ny fiarahana amin’ny fianakaviana, ny famenoana ny torimaso ho adin’ny 8 ora isan’andro ary ny fitonian-tsaina manoloana ny zava-mitranga. Pati
Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.
Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty
Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty
20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,
Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.
Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,