Midangana ny vidin-tsolika. Mihena ny taham-pampidirana mpianatra any an-tsekoly, indrindra moa fa eny amin’ny ambaratonga ambony. Ny tsikaritra anefa etsy ankilan’izay dia mitombo koa ny fanenjehana mpitsikera fitondrana na koa hoe ireo tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra ankehitriny sy ireo mpiaradia aminy. Efa misimisy ihany izay tao anatin’ny 4 taona mahery kely izay, hoy ny mpanara-baovao, indrindra, tato anatin’ny 2 taona farany. Tena vahaolana ve? Teo ny raharaha Berija Ravelomantsoa ny jona 2020, izay nalaza tamin’ny fitsikerana mafy ny CVO tamin’ny fanombohan’ireny Covid 19 ireny. Nadoboka am-ponja moa ity dokotera mpitsabo ity, rehefa voapanga ho nanakorontana saim-bahoaka. Isany koa ilay mpandraharaha, Christian Afakandro, izay isan’ny mpampaneno lakolosy ao anaty tambazotran-tserasera ao. Nivoaka ny dosie resaka famotsiam-bola ka dia nidoboka am-ponja koa ny tenany. Ny mpandraharaha Mbola Rajaonah moa dia isan’ny tanan-kavanan’ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, no sady mpanolontsaina manokany ihany koa. Nivoaka koa ny dosie taty aoriana dia nidoboka am-ponja. Ny mpanao politika, Behary Nirina Marcellin, indray dia niantso ny olompirenena tamin’ny alalan’ireo haino aman-jery samihafa mba hiara-hidina taminy teny amin’ny kianjan’ny 13 may in-droa miantaona tamin’ny taon-dasa. Nadoboka am-ponja ihany koa! Tato anatin’ny herinandro moa dia teo ny raharaha Stanley Ramarivelo, izay mpampaneno lakolosy anaty tambazotran-tserasera efa nitaraina hatramin’ny taon-dasa fa misy misandoka ny kaonty Facebook-ny raha toa ka nisy nampiasa ny sariny ary nampitondra izany kaonty izany ny anarana hoe Stan’ley Ramaro. Nampangaina ho mitantana ilay kaonty mitondra ny anarana hoe “Rano mangotraka” koa ny tenany kanefa tamin’ny fotoana nitanana azy am-ponja dia mbola maro no nahita ity kaonty ity nandefa hafatra feno fanompana sy nahita ity kaonty ity ho mbola nandeha ihany. Na dia tsy mbola nivoaka aza anefa ny tena fanazavana izany rehetra izany dia mbola nadoboka am-ponja ihany koa ity mpampaneno lakolosy ity. Farany teo moa ny raharaha Malama na Mahery Lanto Manandafy, izay tsy vao sambany io nampidirana azy am-ponja vonjimaika io. Ity farany ity dia antony nandefasana azy eny Antanimora indray izany ny filazana azy ho nanalabaraka teratany vahiny iray izany nambarany ho mpamatsy bala daholo saingy efa fatra-pitsikera ny tsy fetezan-javatra hitany ho marobe tao anatin’izao fitondrana izao koa anefa ny lehilahy.
J. Mirija
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa