Miasa mafy hatrany isan’andro ary mila tsy hahatsindry tsihy intsony amin’ny alina nefa mbola tsy hita ihany izay tena marina. Izay vola tonga ao an-trano dia lany avokoa ary tena tsy ampy aza hany ka manosika ny sasany hanaotao foana mihitsy. Vokatr’io tranga io dia fantatra fa nitombo izaitsizy tato ho ato ireo olona tonga manatona ireny mpahay zavatra na mpahita ny ho avy ireny. Raha kely dia mandray olona 20 isa isan’andro ny ivon-toerana iray ka saika manamboatra vintana hanatsarana fiainana avokoa ny ankamaroan’izy ireny. Te-hanan-karena, te-hanam-bolabe avokoa ny ankamaron’izy ireo ary misy mahavita miverina in-droa mihitsy ao anatin’ny herinandro mba hisehoan’ny fahagagana haingana, raha araka ny fanadihadiana natao. Mbola vokatry ny hasarotan’ny fiainana avokoa moa raha tsiahivina no antony mahatonga izany. Hatramin’ny nampahazo vahanabe ny fahasahiranam-bahoaka teto amintsika moa no voalaza fa tena nampidodododo ny olona hanatona ireny mpahay zavatra ireny.
Nangonin’i Pati
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa